1 Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Ny lanitra mitory ny voninahitr'Andriamanitra; ary ny habakabaka manambara ny asan'ny tànany. 2Ny andro samy miteny amin'ny andro mandimby azy, ary ny alina samy manolo-pahalalana amin'ny alina mandimby azy. 3Tsy misy teny na fiteny anefa; tsy re izay feony. 4Efa nivoaka ho any amin'ny tany rehetra ny famolainany, ary ny teniny dia mihatra amin'ny faran'izao rehetra izao. Trano-lay ho an'ny masoandro no nataony teo aminy; 5Ary ny masoandro dia tahaka ny mpampaka-bady mivoaka avy ao an-trano fandriany; sady mifaly tahaka ny lehilahy matanjaka mihazakazaka amin'ny alehany izy. 6Any amin'ny faravodilanitra ny fiposahany, ary ny alehany dia hatramin'ny farany koa, ka tsy misy takona amin'ny hafanany. ¶ 7Tsy misy tsiny ny lalàn'i Jehovah, mamelombelona ny fanahy; mahatoky ny teni-vavolombelon'i Jehovah, mahahendry ny kely saina. 8Mahitsy ny fandidian'i Jehovah, mahafaly ny fo; madio ny didin'i Jehovah, mampahazava ny maso. 9Madio ny fahatahorana an'i Jehovah, maharitra mandrakizay; marina ny fitsipik'i Jehovah, eny, mahitsy avokoa. 10Irina noho ny volamena ireny, eny, noho ny tena volamena betsaka aza; ary mamy noho ny tantely, eny, noho ny tantely mitete avy amin'ny tohotra. 11Ary ny mpanomponao dia hazavain'ireny; amin'ny fitandremana azy misy valiny lehibe. ¶ 12Raha ny fahatsontsana, dia iza re no mahalala izany? ataovy tsy manan-tsiny aho ny amin'izay ota tsy fantatra. 13Arovy ny mpanomponao tsy ho azon'ny ota sahisahy; aoka tsy hanapaka ahy izany; dia ho marina tokoa aho ka tsy hanan-tsiny ny amin'izay fahadisoana lehibe. 14Aoka ny tenin'ny vavako sy ny fisainan'ny foko samy hankasitrahana eo imasonao, Jehovah ô, Vatolampiko sy Mpanavotra ahy. ¶