1 Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida, mpanompon'i Jehovah, izay nilaza tamin'i Jehovah ny tenin'ity fihirana ity tamin'ny andro namonjen'i Jehovah azy tamin'ny tanan'ny fahavalony rehetra, indrindra fa tamin'ny tanan'i Saoly; dia hoy izy: mamiko indrindra Hianao, Jehovah Heriko ô. 2Jehovah no harambatoko sy batery fiarovana ho ahy ary Mpamonjy ahy; Andriamanitro, vatolampy ialofako, sy ampingako ary tandroka famonjena ahy sy fiarovana avo ho ahy. 3Miantso an'i Jehovah izay mendrika hoderaina aho, ka dia vonjena ho afaka amin'ny fahavaloko. ¶ 4Nihodidina tamiko ny famatoram-pahafatesana, ary ny riaky ny faharatsiana nampahatahotra ahy. 5Ny famatoran'ny fiainan-tsi-hita nihodidina tamiko; nisakana ahy ny fandriky ny fahafatesana. 6Fony azom-pahoriana aho, dia niantso an'i Jehovah, eny, Andriamanitro no nitarainako; nihaino ny feoko tao an-tempoliny Izy, ary ny fitarainako teo anatrehany dia efa tonga teo an-tsofiny. ¶ 7Dia nihozongozona sy nihorohoro ny tany, ary ny fanambanin'ny tendrombohitra nihorohoro; eny, nihozongozona ireo, satria tezitra Jehovah. 8Nisy setroka nisavoana teo am-bavorony, ary afo avy teo am-bavany no nandevona ka nisy vainafo nidedadeda teo aminy. 9Dia naondriny ny lanitra, ka nidina Izy; ary aizim-pito no teo ambanin'ny tongony. 10Dia nitaingina kerobima Izy ka nanidina; eny, nanidina faingana tamin'ny ela-drivotra Izy. 11Efa nanao ny maizina ho fiereny sy tranony manodidina Azy Izy, dia rahona ngalingaly rahona matevina. 12Ary teo amin'ny famirapiratana teo anatrehany dia nandalo ny rahony matevina havandra sy vainafo. 13Dia nampikotroka tany an-danitra Jehovah, ny Avo Indrindra niloa-peo. Havandra sy vainafo. 14Dia nandefa ny zana-tsipìkany Izy ka nampiely ny fahavaloko. Ary nampandeha helatra be ka nampifanaritaka azy. 15Dia hita ny mason-drano, ary niseho ny fanambanin'ny tany noho ny teny mafy nataonao, Jehovah ô, noho ny fifofofofon'ny fofonain'ny vavoronao. 16Naninjitra ny tanany avy tany ambony Izy ka nandray ahy; nanintona ahy niala tamin'ny rano be Izy; 17Namonjy ahy tamin'ny fahavaloko mahery Izy sy tamin'izay nankahala ahy, satria tsy leoko ireny 18Nisakana ahy tamin'ny andro nahitako loza ireny, nefa Jehovah no niseho ho Mpanohana ahy. ¶ 19Dia nitondra ahy ho any amin'ny malalaka Izy; namonjy ahy Izy, satria tiany aho. 20Nanisy soa ahy araka ny fahamarinako Jehovah; araka ny fahadiovan'ny tanako no namaliany ahy. 21Fa nitandrina ny lalan'i Jehovah aho, ka tsy mba nanao ratsy hialana tamin'Andriamanitro; 22Ny fitsipiny rehetra dia teo anatrehako, ary ny lalàny tsy mba nampialaiko tamiko; 23Tsy nanan-tsiny taminy aho sady niaro tena tsy ho azon'ny fahotako; 24Koa namaly ahy araka ny fahamarinako Jehovah, dia araka ny fahadiovan'ny tanako teo imasony. 25Ny olona tsara no isehoanao fa tsara; ny tena olo-marina no isehoanao fa marina; 26Ny madio no isehoanao fa madio; ary ny mpiolakolaka kosa no isehoanao fa lalin-tsaina. 27Fa Hianao mamonjy ny olona ory; ary ny maso miandranandrana kosa aetrinao. 28Fa Hianao mampirehitra ny jiroko; Jehovah Andriamanitro no mampahazava ny fahamaizinako. 29Fa Hianao no ahazoako mitsarapaka hamely ny miaramila iray toko; ary Andriamanitro no ahazoako mitsambikina mihoatra ny manda. ¶ 30Raha ny amin'Andriamanitra, dia marina ny lalany; ny tenin'i Jehovah dia voazaha toetra amin'ny memy; Jehovah no ampingan'izay rehetra mialoka aminy. 31Fa iza no Andriamanitra afa-tsy Jehovah? ary iza no vatolampy afa-tsy Andriamanitsika? 32Izany Andriamanitra izany no mampisikina hery ahy sy manamarina ny alehako. 33Manao ny tongotro ho tahaka ny an'ny dieravavy Izy ka mampitoetra ahy eo amin'ny fitoerako avo. 34Mampianatra ny tanako hiady Izy, ka mahahenjana tsipìka varahina ny sandriko. 35Omenao ahy ny ampingan'ny famonjenao; ny tananao ankavanana no manohana ahy, ary ny fahamoram-panahinao no mahalehibe ahy. 36Halalahinao ny lalana hodiaviko, ka tsy mangovitra ny hato-tongotro. 37Manenjika ny fahavaloko aho ka mahatratra azy; ary tsy mba miverina aho mandra-pahalàny ritrany. 38Mamely mafy azy aho, ka tsy mahaleo izy; lavo eo ambanin'ny tongotro izy. 39Hianao mampisikina ahy hery hiady; aripakao ho ambaniko izay mitsangana hamely ahy. 40Ary ataonao miamboho ahy ny fahavaloko; ka aringako izay mankahala ahy. 41Mitaraina izy, fa tsy misy mpamonjy, dia amin'i Jehovah, fa tsy mamaly azy Izy. 42Torotoroiko madinika tahaka ny vovoka entin'ny rivotra izy; Tahaka ny fanary fotaka eny an-dalambe no fanariko azy. ¶ 43Mamonjy ahy amin'ny fifanoheran'ny olona Hianao. Sy manandratra ahy ho lohan'ny firenen-tsamy hafa; ny firenena tsy fantatro aza dia manompo ahy. 44Raha vao mahare ny lazako fotsiny ihany aza izy, dia manoa ahy; Ny hafa firenena mikoy ahy. 45Ny hafa firenena dia mihaketraka, ka miala amin-kovitra avy ao amin'ny fiarovany mafy. ¶ 46Velona Jehovah; isaorana anie ny Vatolampiko; asandratra anie Andriamanitry ny famonjena ahy, 47Dia Andriamanitra, Izay manao famaliana ho ahy ka mampanaiky ny firenena ahy. 48Mamonjy ahy amin'ny fahavaloko Izy; eny, manandratra ahy ho ambonin'izay mitsangana hanohitra ahy Hianao, ary mamonjy ahy amin'ny olon-dozabe. 49Koa izany no hiderako Anao eny amin'ny firenen-tsamy hafa, Jehovah ô, sy hankalazako ny anaranao. 50Manao famonjen-dehibe ho an'ny mpanjaka voatendriny Izy, ary mamindra fo amin'ny voahosony, dia amin'i Davida sy ny taranany mandrakizay. ¶