1Tsy mahafantatra izay ratsy va ny vavako? Tsy mpiantafika va ny zanak'olombelona etỳ ambonin'ny tany? Ary tsy tahaka ny andron'ny mpikarama va ny androny?¶ 2Toy ny mpanompo maniry alokaloka, ary toy ny mpikarama miandry ny karaman'ny asany,¶ 3Dia toy izany no anaovana ahy hahita volana mampahory, ary alina mahadisadisa no tendrena ho ahy.¶ 4Raha vao mandry aho, dia mieritreritra hoe: Rahoviana re no hifoha aho? Fa mihalava izany ny alina, ary mivadibadika indrindra aho mandra-pahazavan'ny andro.¶ 5Ny nofoko mitafy olitra sy baingan-tany; efa maina ny hoditro, kanjo mitsiranorano indray.¶ 6Faingana noho ny famahanan-tenona ny androko ka lany tsy misy fanantenana.¶ 7Tsarovy fa rivotra ny aiko: ary tsy hahita soa intsony ny masoko.¶ 8Tsy hahita ahy intsony ny mason'izay mijery ahy: Ny masonao hizaha ahy, fa tsy ho ao aho.¶ 9Tahaka ny rahona misava ka levona, dia tahaka izany koa, izay midina any amin'ny fiainan-tsi-hita tsy mba hiakatra intsony;¶ 10Tsy hiverina any an-tranony intsony izy. Ary tsy hahalala azy intsony ny fonenany. 11 12Ranomasina va aho, na trozona, No dia asianao fiambenana?¶ 13Raha hoy izaho: Hampionona ahy ny farafarako, hampitony ny fitarainako ny fandriako.¶ 14Dia mampitahotra ahy amin'ny nofy Hianao ary mampihorohoro ahy amin'ny tsindrimandry;¶ 15Ka dia aleon'ny fanahiko ny hokendaina, eny, aleoko ny fahafatesana aza toy izay izato fitofezako izato;¶ 16Maharikoriko ahy izao, tsy tiako ny ho velona ela; Ilaozy miala aho, fa fofona foana ny androko. 17 18Sady fantarinao isa-maraina izy; sy izahanao toetra isaky ny indray mipi-maso?¶ 19Mandra-pahoviana re vao hihodina tsy hijery ahy Hianao, ka mba hiala amiko mandra-piteliko rora?¶ 20Na dia ho nanota aza aho, nampaninona Anao moa izany, ry Mpandinika ny olombelona? Nahoana no dia nataonao fikendry aho, ka efa tonga enta-mavesatra amiko aho?¶ 21Ary nahoana no tsy mamela ny fahadisoako sy manaisotra ny heloko Hianao? Fa izao dia efa handry any amin'ny vovoka aho; ary hitady ahy fatratra Hianao, fa tsy ho atỳ intsony aho.