1 Dia namaly Joba ka nanao hoe: ¶ 2 3Fa ankehitriny mavesatra noho ny fasika any an-dranomasina ny fahoriako, koa dia nirediredy aho.¶ 4Fa ny zana-tsipiky ny Tsitoha mitsatoka amiko, ka mifoka ny poizina avy aminy ny fanahiko; Ary ny fampitahorana Andriamanitra milahatra hamely ahy.¶ 5Maneno va ny boriki-dia, raha eo amin'ny vilona? Na mimàmà va ny omby, raha eo amin'ny fihinany?¶ 6Azo hanina va ny matsatso, raha tsy asian-tsira? Na mba misy tsirony va ny tafotsin'atody? ¶ 7Ny zavatra izay nolaviko tsy hotendrena, dia ireny no tsy maintsy haniko, na dia maharikoriko ahy aza. 8 9Ka ho sitrak'Andriamanitra anie ny hanorotoro ahy! Eny, halefany anie ny tànany ka hahamaito ny aiko,¶ 10Dia hahita fiononana amin'izany aho ka hiravoravo na dia amin'ny fangirifiriana tsy mifaditrovana aza, satria tsy nandà ny tenin'ny Iray Masina aho.¶ 11Inona moa ny heriko, no hanantena aho? Ary hanao ahoana moa ny farako, no hanindry fo aho? ¶ 12Herim-bato va ny heriko? Na varahina va ny nofoko?¶ 13Tsy efa foana va ny hery ho entiko mamonjy tena, ary tsy efa nakifika hiala amiko va ny faharetana? 14 15Ny rahalahiko mampihambo manana ahy tahaka ny ranotrambo, dia tahaka ny mason-drano any an-dohasahan-driaka, izay malaky ritra,¶ 16Izay mainty azon'ny ranomandry Sady iafenan'ny oram-panala;¶ 17Fa raha taninin'ny hainandro izy, dia levona; raha maina ny andro, dia ritra eo amin'ny fitoerany izy;¶ 18Mivilivily no fandehany tankina izy ka levona.¶ 19Ny antokon'i Tema mitazana, ny andian'i Sheba manantena azy;¶ 20Very hevitra ireo, satria samy nanampo; tonga teo izy, kanjo nangaihay.¶ 21Fa ankehitriny efa tsinontsinona ianareo; Nahita ny fahoriana ianareo ka raiki-tahotra.¶ 22Moa aho va efa nanao hoe: Omeo aho, ka mahafoiza zavatra ho ahy amin'ny fanananareo,¶ 23Ary vonjeo amin'ny tanan'ny fahavalo aho, ka afaho amin'ny tanan'ny mpitohatoha? 24 25Endrey ny herin'ny teny marina! Fa mba mahavoa inona kosa moa ny anatra ataonareo?¶ 26Ny amin'ny teniko ihany va no ananaranareo ahy? Fa ho amin'ny rivotra ny tenin'ny olona mamoy fo.¶ 27Eny, fa na dia ny kamboty aza dia ataonareo loka, ary ny sakaizanareo dia ataonareo varotra.¶ 28Fa ankehitriny, masìna ianareo, mba atreho kely aho, dia ho hitanareo fa tsy handainga tsy akory aho.¶ 29Masìna ianareo, diniho indray aho, ary aoka tsy hisy fitsarana tsy marina; eny, diniho indray aho, fa mbola ao ihany ny fahamarinako.¶ 30Moa misy heloka va eo amin'ny lelako?