1Dia mbola nandroso nanao oha-teny ihany Joba ka nanao hoe: ¶ 2 3Fa mbola ato anatiko ihany ny aiko, ary eo am-bavoroko ny Fanahin'Andriamanitra.¶ 4Dia tsy hanao teny tsy marina ny molotro, ary tsy hanonom-pitaka ny lelako.¶ 5Sanatria raha hanaiky ny anareo ho marina aho! Mandra-pialan'ny aiko dia tsy hanaiky ny tenako ho manan-tsiny aho.¶ 6Ny fahamarinako dia hazoniko mafy ka tsy ho foiko; Ny foko tsy manome tsiny ahy akory na dia ny amin'ny androko iray monja aza.¶ 7Aoka ho hita fa ratsy fanahy ny fahavaloko, ary tsy marina izay mitsangana hanohitra ahy.¶ 8Fa inona no fanantenan'ny mpihatsaravelatsihy,44 raha maito ny ainy, ka tsoahan'Andriamanitra ny fanahiny? ¶ 9Hihaino ny fitarainany va Andriamanitra, raha ozoim-pahoriana izy?¶ 10Ho azony hiravoravoana va ny Tsitoha? Hahazo miantso an'Andriamanitra mandrakariva va izy? 11 12Indreo, ianareo rehetra samy efa nahita izany; Koa nahoana ianareo no manao hevi-poana?¶ 13Izao no anjaran'ny ratsy fanahy avy amin'Andriamanitra, sy lovan'ny lozabe raisiny avy amin'ny Tsitoha:¶ 14Na dia mihamaro aza ny zanany, dia ho an'ny sabatra ihany ireny. Ary ny zaza aterany tsy ho voky hanina;¶ 15Ny ankohonany sisa dia hasitrik'Ifahafatesana, ary tsy hisaona azy ny mpitondratenany;¶ 16Na dia mahary volafotsy hoatra ny vovoka aza izy ary mahangona fitafiana hoatra ny fotaka,¶ 17Eny, manangona ihany izy, nefa ny marina no hitafy izany, ary ny tsy manan-tsiny no hizara ny volafotsy;¶ 18Manao ny tranony tahaka ny an'ny lolofotsy izy, ary tahaka ny trano rantsan-kazo ataon'ny mpiandry voly;¶ 19Ao avokoa ihany ny hareny, raha vao mandry izy; Nefa nony ahirany ny masony, dia tsy ao intsony ireny.¶ 20Ny fampahatahorana mahatratra azy tahaka ny riaka: Nony alina paohin'ny tafio-drivotra izy;¶ 21Ny rivotra avy any atsinanana mampiainga sy mahalasa azy ka mipaoka azy hiala amin'ny fitoerany;¶ 22Asian'Andriamanitra izy ka tsy iantrany, ary mandositra dia mandositra ho afaka amin'ny tànany izy;¶ 23Tehafin'ny olona tanana izy sady isitrisirany ka ampialainy amin'ny fonenany.