1Maharikoriko ahy ny aiko; Hamoaka ny fitarainako aho sy hiteny noho ny fangidian'ny fanahiko¶ 2Hanao amin'Andriamanitra hoe aho: Aza manameloka ahy; Mba ampahalalao izay anton'ny iadianao amiko aho.¶ 3Mahafaly Anao va ny hampahory sy hanary ny efa nisasaranao ka hamirapiratra amin'ny fisainan'ny ratsy fanahy?¶ 4Manana maso nofo va Hianao? Na mijery tahaka ny fijerin'ny zanak'olombelona?¶ 5Tahaka ny andron'ny zanak'olombelona va ny andronao? Na tahaka ny taonan'ny olombelona ny taonanao,¶ 6No dia mikaroka izay heloko Hianao sy mikatsaka izay fahotako,¶ 7Na dia fantatrao aza fa tsy mba ratsy fanahy aho, ary tsy misy mahavonjy amin'ny tananao?¶ 8Ny tananao ihany no namorona ahy ka nanisy endrika izao tenako rehetra izao, kanjo levoninao indray aho izao.¶ 9Masina Hianao, tsarovy fa notefenao toy ny tanimanga aho, ka hamerina ahy amin'ny vovoka indray Hianao!¶ 10Tsy naidinao toy ny ronono va aho ka nampandrinao toy ny ronono-mandry?¶ 11Eny, notafianao hoditra sy nofo aho ary norarinao tamin'ny taolana sy ny ozatra.¶ 12Aina sy famindram-po no nomenao ahy; Ary ny fiahianao no niaro ny aiko.¶ 13Saingy izao no nafeninao tao am-ponao, eny, fantatro fa tao aminao izao: 14 15Raha meloka aho, dia lozako! Ary na dia marina aza aho, dia tsy ho sahy miandrandra, satria feno henatra sady mahatsiaro fahoriana aho.¶ 16Fa raha sahy miandrandra aho, dia hihaza ahy tahaka ny liona masiaka Hianao; Ary hiverina indray Hianao, ka ho mahagaga ny famelinao ahy.¶ 17Mbola hanangana vavolombelona vaovao mandrakariva hanameloka ahy Hianao sy hampitombo ny fahatezeranao amiko; Fahavalo mifanontona no mamely ahy. 18 19Ary efa toy ny tsy ary aho. Ka nentina avy tany an-kibo ho any am-pasana.¶ 20Tsy vitsy va ny androko? Koa mitsahara Hianao, mihataha mba hakako aina kely,¶ 21Dieny tsy mbola lasa tsy hiverina aho, dia ho any amin'ny tanin'ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana,¶ 22Ho any amin'ny tany maizim-pito, dia ny an'ny aloky ny fahafatesana sy ny fikorontanana, sady maizim-pito ny famirapiratana any.