1 Dia namaly Joba ka nanao hoe: ¶ 2 3Raha te-hifandahatra aminy izy,dia tsy mahavaly teny Azy na dia iray amin'ny arivo aza.¶ 4Hendry am-po Izy sady matanjaka amin'ny hery; iza no nikiry nanohitra Azy ka tsy naninona?¶ 5Izay mamindra tendrombohitra, nefa ireny tsy mahalala akory, izay mamadika azy amin'ny fahatezerany,¶ 6Ary mampihorohoro ny tany ho afaka amin'ny fitoerany, ka mihozongozona ny andriny;¶ 7Mandidy ny masoandro Izy, ka tsy miposaka iny, ary manisy tombo-kase manafina ny kintana;¶ 8Sady Izy irery ihany no mamelatra ny lanitra sy mandia ny onjan-dranomasina;¶ 9Manao ireo kintana lehibe Izy, dia ny Bera sy ny Telonohorefy ary ny Ikotokelimiadilaona sy ireo kintana maro any atsimo,¶ 10Ary manao zava-dehibe tsy takatry ny saina, eny, fahagagana tsy hita isa. 11 12Indro, mipaoka Izy, ka iza no mahasakana Azy? Iza no hanao aminy hoe: Inona no ataonao?¶ 13Andriamanitra tsy mampitony ny fahatezerany; Ny mpanampy an-dRahaba aza dia mitanondrika eo ambaniny.¶ 14Mainka fa izaho tsy mahavaly Azy, na mahafidy teny hifandaharako aminy;¶ 15Fa na dia marina aza aho, dia tsy hahavaly tsy akory; Hifona amin'Ilay manana ady amiko no hany heriko.¶ 16Raha mba niantso aho, ka namaly ahy aza Izy, dia tsy ho nino aho fa hanaiky ny fitarainako Izy.¶ 17Fa manorotoro ahy amin'ny tafio-drivotra Izy ka manamaro ny feriko tsy ahoan-tsy ahoana.¶ 18Sady tsy avelany haka aina akory aho, fa vokisany zava-mangidy.¶ 19Raha ny amin'ny herin'ny mahery, dia: Indro ary! Ary ny amin'ny fitsarana: Iza no hifandahatra amiko?¶ 20Na dia marina aza aho, dia hanameloka ahy ihany ny vavako; Ary na dia tsy manan-tsiny aza aho, dia hanao ahy ho meloka Izy.¶ 21Marina aho, ataoko tsinontsinona ny aiko; Tsy ahoako izay ho velona. 22 23Raha misy loza mahafaty tampoka, dia mihomehy ny fizahan-toetra ny marina Izy.¶ 24Ny tany efa voatolotra ho eo an-tànan'ny ratsy fanahy; Manarona ny tavan'ny mpitsara eo Izy; Raha tsy Izy no manao izany, dia iza, kosa ary?¶ 25Ny androko dia faingana noho ny tsimandoa; Lasa ireny ka tsy nahita soa akory.¶ 26Mihelina tahaka ny lakana faingam-pandeha izy, tahaka ny voromahery mipaoka hanina. 27 28Dia mahatsiravina ahy ny fahoriako rehetra; Fantatro fa tsy hataonao ho tsy manan-tsiny aho.¶ 29Tsy maintsy hatao ho meloka ihany aho, koa nahoana aho no hanasa-tena foana?¶ 30Na dia mandro amin'ny oram-panala aza aho ka manadio ny tanako amin'ny ranon-davenona,¶ 31Dia hanitrika ahy any am-pahitra miaraka amin'izay Hianao, ka hataon'ny fitafiako ho zava-betaveta aho.¶ 32Fa tsy olona tahaka ahy Izy ka ho azoko valiana hifanatrehanay amin'ny fitsarana.¶ 33Tsy misy mpanelanelana anay Hametraka ny tànany aminay roa tonta.¶ 34Aoka hanaisotra ny tsorakazony amiko Izy, ary aoka tsy hampahatsiravina ahy ny fampitahorany,¶ 35Dia hiteny aho ka tsy hatahotra Azy; Fa fantatro fa tsy hatahotra foana aho.