1 Tamin'ny taona fahafito amby roa-polo nanjakan'i Jeroboama, mpanjakan'ny Isiraely, no vao nanjakan'i Azaria, zanak'i Amazia, mpanjakan'ny Joda. 2Enina ambin'ny folo taona izy, fony vao nanjaka, ary roa amby dimam-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jekolia, avy any Jerosalema. 3Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy tahaka izay rehetra nataon'i Amazia rainy; 4kanefa ny fitoerana avo tsy mba noravana; fa mbola namono zavatra hatao fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo ihany ny olona. 5Ary Jehovah namely ny mpanjaka, ka dia boka mandra-pahafatiny izy ka nitoetra tao an-trano nitokana. Ary Jotama, zanakalahin'ny mpanjaka, no nanapaka tao an-dapa sy nitsara ny vahoaka. 6Ary ny tantaran'i Azaria sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany? 7Ary Azaria dia lasa nodimandry any amin'ny razany, ka nalevina tao amin'ny razany tao an-tanànan'i Davida izy; ary Jotama zanany no nanjaka nandimby azy. ¶ 8Tamin'ny taona fahavalo amby telo-polo nanjakan'i Azaria, mpanjakan'ny Joda, no nanjakan'i Zakaria, zanak'i Jeroboama, tamin'ny Isiraely, ary nanjaka enim-bolana tao Samaria izy. 9Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah tahaka ny nataon'ny razany izy, fa tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, Izay nampanotany ny Isiraely. 10Ary Saloma, zanak'i Jabesy, nikomy taminy, dia namely azy teo anatrehan'ny olona ka nahafaty azy ary nanjaka nandimby azy. 11Ary ny tantaran'i Zakaria sisa, indro fa efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely izany. 12Izany no ilay tenin'i Jehovah nolazainy tamin'i Jeho hoe: Ny taranakao hatramin'ny zafindohalika dia hipetraka amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely. Ka dia tanteraka izany. 13Ary Saloma, zanak'i Jabesy, dia vao nanjaka tamin'ny taona fahasivy amby telo-polo nanjakan'i Ozia, mpanjakan'ny Joda; ary nanjaka andro iray volana tany Samaria izy. 14Fa Menahema, zanak'i Gady, niakatra avy tany Tirza ka nankany Samaria, dia namely an'i Saloma, zanak'i Jabesy, tany Samaria ka nahafaty azy ary nanjaka nandimby azy. 15Ary ny tantaran'i Saloma sisa mbamin'ny nikomiany, indro fa efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely izany. ¶ 16Tamin'izany Menahema dia niala tany Tirza ka namely an'i Tifsa mbamin'izay rehetra tao hatramin'ny sisin-taniny; fa tsy namoha vavahady azy Tifsa, ka dia nasiany, ary izay bevohoka rehetra tao notatahany. 17Tamin'ny taona fahasivy amby telo-polo nanjakan'i Azaria, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Menahema, zanak'i Gady, tamin'ny Isiraely, ary nanjaka folo taona tao Samaria izy. 18Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, fa tamin'ny androny rehetra dia tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely. 19Ary Pola, mpanjakan'i Asyria, dia avy hananika ny tany; ary Menahema nanome an'i Pola talenta volafotsy arivo mba hampitoetra ny fanjakana eo an-tànan'i Menahema. 20Ary nampandoavin'i Menahema io vola io ny mpanankarena rehetra tamin'ny Isiraely, dia sekely volafotsy dimam-polo avy isan-olona, homeny ny mpanjakan'i Asyria. Ka dia niverina ny mpanjakan'i Asyria, fa tsy nitoetra tao amin'ny tany. 21Ary ny tantaran'i Menahema sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany? 22Ary Menahema lasa nodi-mandry any amin'ny razany, ary Pekahia zanany no nanjaka nandimby azy. 23Tamin'ny taona fahadimam-polo nanjakan'i Azaria, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Pekahia, zanak'i Menahema, tamin'ny Isiraely tao Samaria, ary nanjaka roa taona izy. 24Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, fa tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely. 25Ary Peka, zanak'i Remalia, lefiny, dia nikomy taminy ka namely an'i Pekahia mbamin'i Argoba sy Aria teo Samaria, tao amin'ny trano-avo amin'ny lapa, ary teo amin'Peka nisy olona dimam-polo lahy tamin'ny taranak'i Gileada; koa namono azy izy, dia nanjaka nandimby azy. 26Ary ny tantaran'i Pekahia sisa mbamin'izay rehetra nataony, indro fa efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely izany. 27Tamin'ny taona faharoa amby dimam-polo nanjakan'i Azaria, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Peka, zanak'i Remalia, tamin'ny Isiraely tao Samaria, ary nanjaka roa-polo taona izy. 28Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, fa tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely. 29Tamin'ny andron'i Peka, mpanjakan'ny Isiraely, dia tonga Tiglato-pilesera, mpanjakan'i Asyria, ka nahafaka an'Iona sy Abela-beti-maka sy Janoa sy Kadesy sy Hazora sy Gileada ary Galilia, dia ny tanin'ny Naftaly rehetra, ary nitondra ny olona ho babo tany Asyria izy. 30Ary Hosea, zanak'i Elaha, nikomy tamin'i Peta, Zanak'i Remalia, dia namely azy ho faty ka nanjaka nandimby azy tamin'ny taona faharoa-polo nanjakan'i Jotama, zanak'i Ozia. 31Ary ny tantaran'i Peka sisa mbamin'izay rehetra nataony, indro fa efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely izany. ¶ 33Dimy amby roa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary enina ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jerosa, zanakavavin'i Zadoka. 34Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy; tahaka izay rehetra nataon'i Ozia rainy no nataony. 35Kanefa ny fitoerana avo tsy mba noravana; fa mbola namono zavatra hatao fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo ihany ny olona. Izy no nanao ny vavahady ambony amin'ny tranon'i Jehovah. 36Ary ny tantaran'i Jotama sisa mbamin'Izay rehetra nataony, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany? 37Tamin'izany andro Izany no vao nampandehanan'i Jehovah an'i Rezina, mpanjakan'i Syria, sy Peka, zanak'i Remalia, hanafika an'i Joda. 38Ary Jotama lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao an-Tanànan'i Davida rainy izy; ary Ahaza zanany no nanjaka nandimby azy. ¶