1 Tamin'ny taona faharoa nanjakan'i Joasy, zanak'i Joahaza, mpanjakan'ny Isiraely, no vao nanjakan'i Amazia, zanak'i Joasy, mpanjakan'ny Joda. 2Dimy amby roa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary sivy amby roa-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Joadana, avy any Jerosalema. 3Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy, nefa tsy dia tahaka an'i Davida rainy; fa tahaka izay rehetra nataon'i Joasy rainy ihany no nataony. 4Kanefa ny fitoerana avo tsy mba noravana; fa mbola namono zavatra hatao fanatitra sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin'ny fitoerana avo ihany ny olona. 5Ary nony tafapetraka tsara teo an-tànany ny fanjakany, dia novonoiny ireo mpanompony izay namono ny mpanjaka rainy. 6Fa ny zanak'ireo namono kosa dia tsy mba novonoiny, fa nataony araka izay voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalàn'i Mosesy, izay nandidian'i Jehovah hoe: Ny ray tsy hatao maty amin'ny ataon'ny zanany, ary ny zanaka tsy hatao maty amin'ny ataon'ny rainy; fa samy hatao maty amin'ny fahotany avy ny olona. 7Izy no nahafaty ny Edomita iray alina tao amin'ny Lohasahan-tsira sady nahafaka an'i Sela tamin'ny ady ary nanao azy hoe Joktela, izay mbola anarany mandraka androany. 8Tamin'izany Amazia dia naniraka olona tany amin'i Joasy, zanak'i Joahaza, zanak'i Jeho, mpanjakan'ny Isiraely, nanao hoe: Avia, aoka isika hihaona. 9Fa Joasy mpanjakan'ny Isiraely, naniraka tany amin'i Amazia, mpanjakan'ny Joda, nanao hoe: Ny tsilo izay tany Libanona naniraka tamin'ny hazo sedera izay tany Libanona nanao hoe: Omeo ny zanako-lahy ny zanakao-vavy ho vadiny; ary dia namaky teo ny bibi-dia tany Libanona ka nanosihosy ny tsilo. 10Efa namely an'i Edoma tokoa ianao, ka dia nirehareha ny fonao; aoka hahafa-po anao ary izany voninahitra izany, ka mitoera ao an-tranonao ihany; fa nahoana no hihaika ny loza hahalavo ny tenanao mbamin'ny Joda koa ianao? 11Fa tsy nanaiky Amazia. Koa dia niakatra Joasy, mpanjakan'ny Isiraely; ary izy sy Amazia, mpanjakan'ny Joda, nihaona tany Beti-semesy izay any Joda. 12Dia resy teo anoloan'ny Isiraely ny Joda, ka samy nandositra ho any amin'ny lainy avy izy. 13Ary Amazia, mpanjakan'ny Joda, zanak'i Joasy, zanak'i Ahazia, nosamborin'i Joasy, mpanjakan'ny Isiraely tany Beti-semesy; ary dia nankany Jerosalema Joasy, ka nandravany efa-jato hakiho ny màndany hatramin'ny vavahadin'i Efraima ka hatramin'ny vavahady an-jorony. 14Ary nalainy avokoa ny volamena sy ny volafotsy rehetra ary ny fanaka rehetra izay hita tao an-tranon'i Jehovah sy tamin'ny rakitry ny tranon'ny mpanjaka mbamin'ny olona natao antoka, ka dia niverina ho any Samaria izy. ¶ 15Ary ny tantaran'i Joasy sisa mbamin'ny heriny sy ny niadiany tamin'i Amazia, mpanjakan'ny Joda, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany? 16Ary Joasy lasa nodimandry any amin'ny razany, dia nalevina tany Samaria tao amin'ny mpanjakan'ny Isiraely izy; ary Jeroboama zanany no nanjaka nandimby azy. ¶ 17Ary ny andro niainan'i Amazia, zanak'i Joasy, mpanjakan'ny Joda, taorian'ny nahafatesan'i Joasy, zanak'i Joahada, mpanjakan'ny Isiraely, dia dimy ambin'ny folo taona. 18Ary ny tantaran'i Amazia sisa, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany? 19Ary ny olona niodina taminy tany Jerosalema, dia nandositra nankany Lakisy izy; fa ny olona nampanaraka namono azy tany. 20Ary nasampiny tamin'ny soavaly ny fatiny, dia nalevina tany Jerosalema tao amin'ny razany tao an-Tanànan'i Davida izy. ¶ 21Ary ny vahoaka rehetra tamin'ny Joda naka an'i Azaria, izay vao enina ambin'ny folo taona tamin'izay, ka nampanjaka azy handimby an'i Amazia rainy. 22Izy no hanamboatra an'i Elota ka nampody azy ho an'ny Joda, rehefa lasa nodi-mandry any amin'ny razany ny mpanjaka. ¶ 24Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, fa tsy niala tamin'ny fahotana rehetra izay nataon'i Jeroboama, zanak'i Nebata, sady nampanotany ny Isiraely. 25Izy no nampody ny sisin-tanin'ny Isiraely ka azony hatrany akaikin'i Hamata ka hatramin'ny ranomasin'ny tani-hay, araka ny tenin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, izay nampilazainy ny mpanompony, dia Jona, zanak'i Amitahy, mpaminany tany Gata-hefera. 26Fa efa hitan'i Jehovah fa nangidy indrindra ny fahorian'ny Isiraely; ary tsy nisy sisa, na ny voahazona na ny afaka, sady tsy nisy namonjy ny Isiraely akory. 27Fa tsy mba nolazain'i Jehovah fa hovonoiny tsy ho eo ambanin'ny lanitra ny anaran'ny Isiraely; fa ny tànan'i Jeroboama, zanak'i Joasy, no nentiny namonjy azy. 28Ary ny tantaran'i Jeroboama sisa mbamin'izay nataony sy ny hery izay niadiany ary ny nampodiany an'i Damaskosy sy Hamata, izay an'ny Joda fahiny, ho an'ny Isiraely, tsy efa voasoratra ao amin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany? 29Ary Jeroboama lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia tao amin'ny mpanjakan'ny Isiraely; ary Zakaria zanany no nanjaka nandimby azy. ¶