1 Nataon'i Davida. Maskila. Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany. 2Sambatra ny olona izay tsy isain'i Jehovah heloka, ary tsy misy fitaka ny fanahiny. ¶ 3Raha nangina aho, dia nihalany ny taolako rehetra, noho ny fitarainako mandrakariva, 4Fa efa navesatra tamiko andro aman'alina ny tananao; niova ny fahatanjahako toy ny azon'ny fahamainana amin'ny lohataona. ¶ 5Ny fahotako nambarako taminao, ary ny heloko tsy mba nafeniko. Hoy izaho: hiaiky ny fahadisoako amin'i Jehovah aho; ary Hianao dia namela ny heloky ny fahotako. 6Izany no aoka hivavahan'ny tsara tsara fanahy rehetra aminao amin'izay andro hahitana Anao; eny tokoa, na dia tondraka aza ny rano be, tsy hahatratra azy izany. 7Hianao no fiereko, miaro ahy tsy ho azon'ny fahoriana Hianao; fihobiam-pamonjena no ahodidinao ahy. ¶ 8Hanome saina anao sy hampianatra anao izay lalan-kalehanao Aho; hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho. 9Aza manahaka ny soavaly na ny ampondra tsy manan-tsaina; vy sy lamboridy no haingo hihazonana azy, fa tsy mety manakaiky anao izy. ¶ 10Be ny fanaintainan'ny ratsy fanahy, fa izay matoky an'i Jehovah kosa dia ho hodidinin'ny famindram-po. ¶ 11Mifalia amin'i Jehovah, ary ravoravoa, ianareo olo-marina, ary mihobia, ianareo mahitsy fo rehetra. ¶