1 Ny fahendrena efa nanao ny tranony; Efa nipaika ny andriny fito izy; 2Efa namono ny bibiny sy nangaroharo ny divainy izy Ary efa namelatra ny latabany koa; 3Ary efa naniraka ny ankizivaviny izy; Miantso eny an-tampon'ny fitoerana avo any an-tanàna izy ka manao hoe: 4Izay kely saina, dia aoka izy hankatỳ; Ary amin'izany tsy ampy saina dia hoy izy: 5Avia, hano ny mofoko, Ary sotroy ny divay voaharoharoko. 6Ilaozy ny kely saina, dia ho velona ianao, Ary mizora amin'ny lalan'ny fahalalana. 7Izay mananatra ny mpaniratsira dia afa-baraka; Ary izay mananatra ny ratsy fanahy dia hahazo tsiny. 8Aza mananatra ny mpaniratsira ianao, fandrao halany; Ny hendry no anaro, dia ho tiany ianao. 9Toroy ny hendry, dia hihahendry izy; Ampianaro ny marina, dia hitombo saina izy. 10Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahendrena; Ary ny fahafantarana ny Iray Masina no fahazavan-tsaina. 11Fa izaho no hampitomboana ny andronao Sy hanamaroana ny taona hiainanao. 12Raha hendry ianao, dia hendry ho an'ny tenanao ihany; Fa raha maniratsira kosa ianao, dia ianao ihany no hiharan'izany. 13Ny fahadalana dia toy ny vehivavy vavàna; Kely saina izy ka tsy mahalala na inona na inona. 14Fa mipetraka eo am-baravaran'ny tranony izy, Ary amin'ny seza eny amin'ny fitoerana avo eo an-tanàna, 15Mba hiantso ny mpandalo Izay mizotra amin'ny alehany, ka manao hoe: 16Aoka hivily atỳ izay kely saina; Ary amin'izay tsy ampy saina dia hoy izy: 17Mamy ny rano angalarina, Ary fy ny mofo hanina amin'ny fiafenana, 18Nefa tsy fantany fa ny maty no ao, Ary any amin'ny halalin'ny fiainan-tsi-hita ny olona nasainy. ¶