1 Anaka, tandremo ny fahendreko, Ary atongilano ny sofinao ho amin'ny fahalalako, 2Hiheveranao tsara ny fisainana mazava Sy hitandreman'ny molotrao ny fahalalana. ¶ 3Fa ny molotry ny vehivavy jejo dia mitete toy ny tantely avy amin'ny tohotra, Ary ny vavany dia malama noho ny diloilo; 4Nefa ny farany mangidy tahaka ny hazo mahafaty Ary maranitra hoatra ny sabatra roa lela. 5Ny tongony midina ho any amin'ny fahafatesana, Ary ny diany mizotra ho any amin'ny fiainan-tsi-hita. 6Tsy mahazo mandia ny lalan'aina mihitsy izy, Fa manjenjena, ka tsy fantany akory izay halehany. 7Koa mihainoa ahy, ry zanaka, Ary aza miala amin'ny teny aloaky ny vavako. 8Ampanalaviro azy ny alehanao, Ary aza manakaiky ny varavaran'ny tranony; 9Fandrao omenao ho an'ny sasany ny voninahitrao, Ary ny taonanao ho an'izay lozabe; 10Fandrao hivokisan'ny vahiny ny fanananao; Ary izay nisasaranao ho tonga ao an-tranon'ny vahiny; 11Ka dia hitoloko ianao any am-parany, Raha mihalevona ny nofonao sy ny tenanao; 12Dia hanao hoe ianao: Nahoana re no nankahala famaizana aho? Ary nahoana no naniratsira fanaranana ny foko, 13Ka tsy nihaino ny tenin'ny mpanoro hevitra ahy, Ary tsy nanongilana ny sofiko hihaino ny mpampianatra ahy? 14Efa saiky azon'ny ratsy rehetra aho Tao amin'ny fiangonana sy ny fivoriana. ¶ 15Misotroa rano avy amin'ny lavaka famorian-dranonao ihany Sy rano miboiboika avy amin'ny fantsakanao. 16Hipasaka eny ivelany va ny rano avy amin'ny loharanonao, Ary eny an-dalambe ny rano velonao? 17Aoka ho anao irery ihany izany, Fa aza iombonana amin'ny hafa. 18Aoka hotahina ny loharanonao, Ary mifalia amin'ny vadin'ny fahatanoranao. 19Fa dieravavy mahate-ho-tia sy osi-dia tsara bika izy, Dia aoka ny tratrany no hahafeno fifaliana anao mandrakariva, Ary aoka ho feno faharavoravoana lalandava amin'ny fitiavany ianao. 20Nahoana ianao, anaka, no ho renoka amin'ny fitiavana vehivavy jejo Ka hanohona ny tratran'ny vahiny janga? ¶ 21Fa eo imason'i Jehovah ny alehan'ny olona, Ary ny diany rehetra dia dinihiny avokoa. 22Ny heloky ny ratsy fanahy dia mahazo ny tenany ihany, Ary ny kofehin'ny fahotany no itanana azy 23Maty noho ny tsi-fahazoany famaizana izy, Eny, mikorapaka noho ny haben'ny fahadalany. ¶