1 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: 2Manaova trompetra volafotsy roa ho anao; voasana no hanaovanao azy; dia ho fiantsoanao ny fiangonana sy ho fampiainganao ny toby ireo. 3Ary raha tsofina avokoa ireo, dia hivory eo aminao, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, ny fiangonana rehetra. 4Fa raha ny iray ihany no tsofina, dia ny lohan'ny firenena, izay mpifehy arivo amin'ny Isiraely, ihany no hivory eo aminao. 5Fa raha mitsoka ho fampitairana ianareo, dia hiainga ny toby izay mitoetra eo atsinanana. 6Ary raha mitsoka ho fampitairana fanindroany ianareo, dia hiainga ny toby izay mitoetra eo atsimo; fampitairana no hatao fiaingany. 7Fa raha hampivory ny fiangonana kosa ianareo, dia hitsoka fotsiny, fa tsy hanao fampitairana. 8Ary ireo mpisorona, zanak'i Arona, no hitsoka ny trompetra; dia ho lalàna mandrakizay ho anareo hatramin'ny taranakareo fara mandimby izany. 9Ary raha misy ady eo amin'ny taninareo, ka mandeha hiady amin'ny fahavalo izay mampahory anareo ianareo, dia hitsoka ireo trompetra ireo ho fampitairana, dia hotsarovana eo anatrehan'i Jehovah Andriamanitrareo ianareo ka hovonjena amin'ny fahavalonareo. 10Ary amin'ny andro fifalianareo, sy amin'ny fotoam-pivavahanareo, ary amin'ny voaloham-bolanareo no hitsofanareo ny trompetra, raha manao ny fanatitra doranareo sy ny fanati-pihavananareo; dia ho fahatsiarovana ho anareo izany eo anatrehan'Andriamanitrareo: Izaho Jehovah no Andriamanitrareo. ¶ 12Dia niainga tany an-efitr'i Sinay ny Zanak'Isiraely ka nandroso, ary ny rahona nijanona tany an-efitra Parana. 13Dia izany no niaingany voalohany araka ny didin'i Jehovah izay nampitondrainy an'i Mosesy. 14Ary ny fanevan'ny tobin'ny taranak'i Joda no niainga voalohany araka ny antokony, ary Nasona, zanak'i Aminadaba, no mpifehy ny antokony. 15Ary Netanela, zanak'i Zoara, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'Isakara. 16Ary Eliaba, zanak'i Helona, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'i Zebolona. 17Dia nahorona ny tabernakely, ka niainga ny taranak'i Gersona sy ny taranak'i Merary, nitondra ny tabernakely. 18Dia niainga ny fanevan'ny tobin'i Robena araka ny antokony; ary Elizora, zanak'i Sedeora, no mpifehy ny antokony. 19Ary Selomiela, zanak'i Zorisaday, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'i Simeona. 20Ary Eliasafa, zanak'i Doela, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'i Gada. 21Dia niainga ny Kehatita, mitondra ny zava-masina; ary nisy nanangana ny tabernakely mandra-pihaviny. 22Dia niainga ny fanevan'ny tobin'ny taranak'i Efraima, araka ny antokony; ary Elisama, zanak'i Amihoda, no mpifehy ny antokony. 23Ary Gamaliela, zanak'i Pedazora, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'i Manase. 24Ary Abidana, zanak'i Gideony, no mpifehy ny firenena taranak'i Benjamina. 25Dia niainga ny fanevan'ny tobin'ny taranak'i Dana, izay vodi-lalan'ny toby rehetra, araka ny antokony; ary Ahiezera, zanak'i Amisaday, no mpifehy ny antokony. 26Ary Pagiela, zanak'i Okrana, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'i Asera. 27Ary Ahira, zanak'i Enana, no mpifehy ny antokon'ny firenena taranak'i Naftaly. 28Izany no fandehan'ny Zanak'Isiraely, araka ny antokony avy, raha niainga izy. 29Dia hoy Mosesy tamin'i Hobaba, zanak'i Regoela Midianita, rafozan'i Mosesy: Izahay izao dia mandeha hankany amin'ny tany izay nolazain'i Jehovah hoe: Homeko anareo izy; andeha hiaraka aminay ianao, dia hasianay soa; fa Jehovah efa nilaza soa ny amin'ny Isiraely. 30Fa hoy kosa izy taminy: Tsy handeha aho; fa hody any amin'ny taniko sy ny havako. 31Dia hoy Mosesy: Aza dia ilaozanao izahay; fa fantatrao izay tokony hitobianay atỳ an-efitra, ka dia ho masonay ianao. 32Ary raha hiaraka aminay ianao, dia izay soa hataon'i Jehovah aminay no mba hataonay aminao kosa. 33Dia niainga niala tany an-tendrombohitr'i Jehovah lalan-kateloana izy; ary ny fiaran'ny faneken'i Jehovah nandroso nialoha azy lalan-kateloana hitady fialan-tsasatra ho an'ny olona. 34Ary ny rahon'i Jehovah dia teo amboniny nony andro tamin'ny niaingany niala tamin'ny nitobiany. 35Ary raha niainga ny fiara, dia hoy Mosesy: Mitsangàna, Jehovah ô, ka aoka hiely ny fahavalonao; ary aoka handositra ny tavanao izay mankahala Anao. 36Ary raha nijanona kosa ny fiara, dia hoy izy: Miverena, Jehovah ô, ho amin'ny Isiraely tsy omby alinalina. ¶