1Ary nonina tany Jerosalema ny mpanapaka ny olona; ary ny olona sisa nanao filokana hahatonga ny ampahafolony honina any Jerosalema, tanàna masina, fa ny sivy toko kosa dia any an-tanàna hafa. 2Ary nisaoran'ny olona ny lehilahy rehetra izay nanolo-tena honina any Jerosalema. ¶ 3Ary izao no ben'ny tany izay nonina tany Jerosalema; fa ny tao an-tanànan'ny Joda samy nonina tao amin'ny taniny avy, tao an-tanànany, dia ny Isiraely, ny mpisorona sy ny Levita sy ny Netinima ary ny taranaky ny mpanompon'i Solomona. 4Ary tany Jerosalema no nonenan'ny sasany tamin'ny taranak'i Joda sy ny taranak'i Benjamina. Ny avy tamin'ny taranak'i Joda dia Ataia, zanak'i Ozia, zanak'i Zakaria, zanak'i Amaria, zanak'i Sefatia, zanak'i Mahalalila, avy tamin'ny taranak'i Fareza; 5ary Mahaseia, zanak'i Baroka, zanak'i Kola-hoze, zanak'i Hazaia, zanak'i Adaia, zanak'i Joariba, zanak'i Zakaria, zanak'ilay Silonita. 6Ny taranak'i Fareza rehetra izay nonina tany Jerosalema dia lehilahy mahery valo amby enim-polo amby efa-jato. 7Ary izao no taranak'i Benjamina: Salo, zanak'i Mesolama, zanak'i Joeda, zanak'i Pedaia, zanak'i Kolaia, zanak'i Mahaseia, zanak'Itiela,zanak'i Jesaia; 8ary nanarakaraka azy Gabay sy Salay; dia valo amby roa-polo amby sivinjato. 9Ary Joela, zanak'i Zikry, no mpifehy azy; ary Joda, zanak'i Senoa, no lefitry ny komandin'ny tanàna. 10Ny avy tamin'ny mpisorona dia Jedaia, zanak'i Joariba, ary Jakina. 11Ary Seraia, zanak'i Hilkia, zanak'i Mesolama, zanak'i Zadoka, zanak'i Meraiota, zanak'i Ahitoba, no mpanapaka ny tranon'Andriamanitra. 12Ary ny rahalahin'ireo izay mpanao ny raharaha tao an-trano dia roa amby roa-polo amby valon-jato; ary Adaia, zanak'i Jerohama, zanak'i Pelalia, zanak'i Amzy, zanak'i Zakaria, zanak'i Pasora, zanak'i Malkia, 13ary ny rahalahiny, izay samy lohan'ny fianakaviana, dia roa amby efa-polo amby roan-jato; ary Amasay, zanak'i Azarela, zanak'i Ahazay, zanak'i Mesilemota, zanak'Imera, 14mbamin'ny rahalahin'ireo, dia lehilahy mahery valo amby roa-polo amby zato; ary Zabdiela, zanak'i Hagedolima, no mpifehy azy. 15Ary ny avy tamin'ny Levita dia Semaia, zanak'i Hasoba, zanak'i Azrikama, zanak'i Hasabia, zanak'i Bony; 16ary Sabetahy sy Jozabada, avy tamin'ny lohan'ny Levita, no tonian'ny raharaha teo ivelan'ny tranon'Andriamanitra. 17Ary Matania, zanak'i Mika, zanak'i Zabdy, zanak'i Asafa, no mpiventy, raha natao ny fisaorana tao am-pivavahana; ary Bakbokia no nanarakaraka teo amin'ny rahalahiny, dia vao Abda, zanak'i Samoa, zanak'i Galala, zanak'i Jedotona. 18Ny Levita rehetra tao an-tanàna masina dia efatra amby valo-polo amby roan-jato. ¶ 19Ary ny mpiandry varavarana dia Akoba sy Talmona mbamin'ny rahalahiny izay niambina ny vavahady, dia roa amby fito-polo amby zato. ¶ 20Ary ny sisa tamin'ny Isiraely sy ny mpisorona sy ny Levita, dia teny an-tanàna rehetra any Joda, samy tao amin'ny zara-taniny avy. 21Fa ny Netinima dia nonina tany Ofela; ary Ziha sy Gispa no nifehy azy. 22Ary ny mpifehy ny Levita tany Jerosalema amin'ny raharaha momba ny tranon'Andriamanitra dia Ozy, zanak'i Bany, zanak'i Hasabia, zanak'i Matania, zanak'i Mika, isan'ny mpihira, taranak'i Asafa. 23Fa ny didin'ny mpanjaka ny amin'ireo mpihira ireo dia ny hahazoany izay anjara tokony ho azy isan'andro. 24Ary Petahia, zanak'i Mesezabela, isan'ny taranak'i Zera, zanak'i Joda, dia teo anilan'ny mpanjaka hitandrina ny raharaha rehetra ny amin'ny olona. 25Fa ny amin'ny vohitra eny an-tsaha, dia ny sasany tamin'ny taranak'i Joda no nonina tany Kiriat-arba sy ny zana-bohiny, ary tany Dibona sy ny zana-bohiny, ary tany Jekabzela sy ny zana-bohiny, 26ary tany Jesoa sy Molada sy Beti-paleta 27sy Hazarasoala ary Beri-sheba sy ny zana-bohiny, 28ary tany Ziklaga sy Mekona sy ny zana-bohiny, 29ary tany En-rimona sy Zora sy Jarmota 30sy Zanoa sy Adolama sy ny zana-bohiny, sy tany Lakisy sy ny sahany, ary tany Azeka sy ny zana-bohiny. Ary nonina hatram Beri-sheba ka hatramin'ny lohasahan'i Himona izy. 31Ary ny taranak'i Benjamina kosa no hatrany Geba ka hatrany Mikmasy sy Aia sy Betela sy ny zana-bohiny, 32ary tany Anatota sy Noba sy Anania 33sy Hazora sy Rama sy Gitaima 34sy Hadida sy Zeboima sy Nebala 35sy Loda sy Ono, lohasahan'ny mahay tao-zavatra. 36Ary tao amin'ny Benjamina nisy Levita, izay isan'ny antokon'ny Joda. ¶