1Indro, foana ny fihendrena azy; Tsy mahakivy va na dia ny fijery azy aza?¶ 2Tsy misy sahy manao vi-very hanaitra azy; Koa iza kosa no mahajanona eo anatrehako?¶ 3Iza no nanome Ahy aloha mba hamaliako azy? Ny eny ambanin'ny lanitra rehetra dia Ahy avokoa.¶ 4Tsy mbola hangina Aho ny amin'ny momba ny tenany sy ny heriny ary ny fahatsaran'ny endriny.¶ 5Iza no mahasonga ny fitafiany anoloany? Na iza no sahy hiditra ao amin'ny nifiny roa sosona?¶ 6Iza no mahasokatra ny varavaran'ny tavany? Mahatsiravina ny nifiny manodidina!¶ 7Reharehany ny faharaoraon'ny kirany, mihidy avokoa toy ny voapetaka mafy amin'ny tombo-kase ireo;¶ 8Mikirindro ireo, ka tsy azon'ny rivotra idirana eo anelanelany.¶ 9Mifanindry lany ireo sady mifaniditra ka tsy azo sarahina,¶ 10Ny fieviny dia mampamirapiratra fahazavana, ary ny masony dia tahaka ny hodimason'ny maraina.¶ 11Lelafo no mivoaka avy amin'ny vavany; Kilalaon'afo no mipariaka avy aminy.¶ 12Ny vavorony dia ivoahan'ny setroka, tahaka ny avy amin'ny vilany mangotraka, na amin'ny fahandroana.¶ 13Ny fofonainy mampirehitra arina, ary misy lelafo mivoaka avy amin'ny vavany.¶ 14Ny vozony no itoeran'ny hery; Ary mibitaka eo alohany ny fampahatahorana.¶ 15Mivalombalona ny hotraka amin'ny tenany; Mafy ireny ka tsy azo endahana.¶ 16Mafy tahaka ny vato ny fony; Eny, mafy tahaka ny vato fikosoham-bary.¶ 17Raha mitsangana izy, dia raiki-tahotra ny mahery; Eny, toran-kovitra ireo ka tsy mahavoa.¶ 18Raha misy mamely azy amin'ny sabatra dia tsy mahalaitra, na amin'ny lefom-pohy, na ny firombaka, na ny zana-tsipìka.¶ 19Ataony toy ny mololo ny vy, ary toy ny hazo momoka ny varahina.¶ 20Tsy mampandositra azy ny zana-tsipìka; Ataony ho toy ny vodivary ny vaton'antsamotady.¶ 21Ataony ho toy ny vodivary koa ny langilangy; Ihomehezany ny fanetsehana ny lefona.¶ 22Ny takibany dia tahaka ny tavim-bilany maranitra; Mamelatra fivelezam-bary maranitra eo amin'ny fotaka izy.¶ 23Mampandevy ny lalina ho tahaka ny ao am-bilany izy; Manao ny ranomasina ho tahaka ny vilany misy menaka manitra izy.¶ 24Mampahazava ny lalany eo aoriany izy. Ataon'ny olona ho toy ny volo fotsy ny lalina.¶ 25Tsy misy tahaka azy eny ambonin'ny tany, izay voaforona tsy hahalala tahotra.¶ 26Ny avo rehetra jereny avokoa; Mpanjakan'ny bibi-dia rehetra izy 27 28 29 30 31 32 33 34