1 Paoly Apostoly - tsy avy tamin'olona, na tamin'ny alalan'olona, fa tamin'ny alalan'i Jesosy Kristy sy Andriamanitra Ray, Izay nanangana Azy tamin'ny maty - 2mbamin'ny rahalahy rehetra izay ato amiko, mamangy ny fiangonana atỳ Galatia: 3ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompontsika, 4Izay nanolotra ny tenany noho ny fahotantsika, hanafahany antsika amin'izao miara-belona ratsy fanahy izao, araka ny sitrapon'Andriamanitra Raintsika; 5ho Azy anie ny voninahitra mandrakizay mandrakizay. Amena. ¶ 7izay tsy filazantsara akory, fa saingy misy ny sasany mampitabataba anareo ka ta-hamadika ny filazantsaran'i Kristy. 8Fa na izahay, na anjely avy any an-danitra aza, no mitory filazantsara hafa aminareo afa-tsy izay efa notorinay taminareo, aoka ho voaozona izy. 9Araka ny voalazanay fahiny no lazaiko indray ankehitriny: Raha misy olona mitory filazantsara hafa aminareo, afa-tsy izay efa noraisinareo, aoka ho voaozona izy, 10Ary ankehitriny, olona va no ilako fitia, sa Andriamanitra? Sa mila sitraka amin'olona aho? Raha mbola mila sitraka amin'olona aho, dia tsy mpanompon'i Kristy. 11Fa ampahafantariko anareo, ry rahalahy, ny amin'ny filazantsara izay notoriko, fa tsy araka ny fanaon'ny olona izany. 12Fa izaho tsy nandray azy tamin'olona, ary tsy mba nampianarina aho, fa tamin'ny fanambaran'i Jesosy Kristy ihany. 13Fa efa renareo ny toetro fahiny tamin'ny fivavahan'ny Jiosy, fa nanenjika ny fiangonan'Andriamanitra efa izay tsy izy aho ka nandrava azy; 14ary nandroso tamin'ny fivavahan'ny Jiosy mihoatra noho ny maro izay indray mihira amiko eo amin'ny fireneko aho ka fatra-pitana ny fampianarana voatolotry ny razako indrindra. 15Fa raha sitrak'Andriamanitra, Izay nanokana ahy hatrany an-kibon'ineny ny niantso ahy tamin'ny fahasoavany, 16ny nampiseho ny Zanany tato anatiko, mba hitoriako Azy any amin'ny jentilisa, niaraka tamin'izay dia tsy naka saina tamin'ny nofo aman-drà aho, 17ary tsy niakatra tany Jerosalema ho any amin'izay Apostoly talohako aho, fa lasa nankany Arabia, dia niverina ho any Damaskosy indray. 18Ary rehefa afaka telo taona, dia niakatra tany Jerosalema hamangy an'i Kefasy aho ka nitoetra tao aminy dimy ambin'ny folo andro. 19Nefa ny Apostoly sasany dia tsy nisy hitako afa-tsy Jakoba, rahalahin'ny Tompo. 20Ary izay zavatra soratako aminareo, indro, eo anatrehan'Andriamanitra fa tsy mandainga aho. 21Rehefa afaka izany, dia tonga tany amin'ny tany Syria sy Kilikia aho; 22ary tsy mbola fantatry ny fiangonana any Jodia, izay ao amin'i Kristy, ny tarehiko. 23Fa nandre ihany izy hoe: Ilay mpanenjika antsika fahiny, indro izy ankehitriny mitory ny finoana izay noravany fahiny . 24Ary dia nankalazany an'Andriamanitra aho. ¶