1 Ary tamin'ny taona fahavalo ambin'ny folo nanjakan'i Jeroboama mpanjaka no vao nanjakan'i Abia tamin'ny Joda. 2Telo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Mikaia, zanakavavin'i Oriela, avy any Gibea. Ary niady Abia sy Jeroboama. ¶ 3Ary Abia niantomboka niady ka nitondra miaramila mahery, dia lehilahy efatra hetsy voafantina; ary Jeroboama kosa nandahatra ny azy hiady aminy, dia lehilahy valo hetsy voafantina, samy mahery avokoa. 4Ary Abia nijoro teo an-tendrombohitra Zemaraima, izay any amin'ny tany havoan'i Efraima, ka nanao hoe: Mihainoa ahy, ry Jeroboama sy ry Isiraely rehetra: 5Moa tsy tokony ho fantatrareo va fa nomen'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ho an'i Davida mandrakizay ny fanjakan'ny Isiraely? dia ho azy sy ny taranany amin'ny fanekena nasiantsira. 6Nefa kosa Jeroboama, zanak'i Nebata, mpanompon'i Solomona, zanak'i Davida, nitsangana ka niodina tamin'ny tompony. 7Ary koa, nisy olom-poana, tena ratsy fanahy, niangona tao aminy ka nampahery ny tenany hanohitra an-dRehoboama, zanak'Solomona, raha mbola zaza sy tanora fanahy izy ka tsy nahatohitra azy. 8Ary ankehitriny ianareo mikasa hanohitra ny fanjakan'i Jehovah, izay eo an-tànan'ny taranak'i Davida; ary ianareo dia maro be, sady misy ombilahy kely volamena ao aminareo, izay nataon'i Jeroboama ho andriamanitrareo. 9Tsy efa noroahinareo va ny mpisoron'i Jehovah, dia ny taranak'i Arona, sy ny levita, ka nanendry mpisorona ho anareo tahaka ny fanaon'ny firenena amin'ny tany hafa ianareo? ka na zovy na zovy mitondra vantotr'ombilahy sy ondrilahy fito hanokanana ny tenany, dia izy no tonga mpisorona amin'ireo tsi-Andriamanitra. 10Fa ny aminay kosa, dia Jehovah no Andriamanitray ka tsy mba nahafoy Azy izahay; ary ny mpisorona izay manao fanompoam-pivavahana ho an'i Jehovah, dia ny taranak'i Arona; ary ny Levita koa manao ny raharahany; 11ary mandoro fanatitra dorana sy ditin-kazo manitra ho an'i Jehovah isa-maraina sy isan-kariva izy, ary ny mofo aseho koa alahany eo amin'ny latabatra tsara, ary ny jiro koa ampirehetiny Isan-kariva ao amin'ny fanaovan-jiro volamena sy ny lela fanaovan-jirony; fa izahay mitandrina izay nasain'i Jehovah Andriamanitray hotandremana; fa ianareo kosa nahafoy Azy. 12Ary, indro, ato aminay Andriamanitra ho mpitarika anay, ary ny mpisorony sy ny trompetra avo faneno hotsofina mafy hamelezana anareo Ry Zanak'isiraely ô, aza miady amin'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo; fa tsy hambinina ianareo. 13Fa nasain'i Jeroboama nanompirana no fandehan'ny otrika mba ho tonga ao aoriany, ka dia izy teo anoloan'ny Joda, ary ny otrika teo ivohony. 14Ary nony nitodika ny Joda, ka, indreo, teo alohany sy teo aoriany ny fahavalo, dia nitaraina tamin'i Jehovah izy, ary ny mpisorona nitsoka ny trompetra. 15Dia nihoby ny lehilahy amin'ny Joda; ary raha nihoby izy, Andriamanitra dia namely an'i Jeroboama sy ny Isiraely rehetra teo anoloan'i Abia sy ny Joda. 16Ary ny Zanak'isiraely nandositra niala teo anoloan'ny Joda; ary Andriamanitra nanolotra azy ho eo an-tànany, 17ka nahafatesan'i Abia sy ny vahoakany be dia be izy; ary niampatrampatra ny fatin'ny Isiraely, dia lehilahy dimy hetsy voafantina. 18Toy izany no nampietrena ny Zanak'isiraely fahizay; ary ny taranak'i Joda no nahery, satria niankina tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izy. 19Ary Abia nanenjika an'i Jeroboama ka nahazo ny tanànany, dia Betela mbamin'ny zana-bohiny sy Jesana mbamin'ny zana-bohiny ary Efrona mbamin'ny zana-bohiny. 20Ary Jeroboama tsy naharina intsony tamin'ny andron'i Abia; ary Jehovah namely azy, ka dia maty izy. 21Ary Abia nitombo hery, ary nanam-bady efatra ambin'ny folo izy ka niteraka lahy roa amby roa-polo sy vavy enina ambin'ny folo. 22Ary ny tantaran'i Abia sisa mbamin'ny nataony sy ny teniny dia efa voasoratra ao amin'ny bokin'Ido mpaminany. ¶