1 Dia nisaina araka ny firazanany avy ny Isiraely rehetra; ary, indro, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny mpanjakan'ny Isiraely izany. Ary ny Joda dia nentina ho babo tany Babylona noho ny fahotany. 2Ary ny mponina taloha tamin'ny taniny sy ny tanànany avy dia ny Isiraely sy ny mpisorona sy ny Levita ary ny Netinima. 3Ary tany Jerosalema no nonenan'ny sasany amin'ny taranak'i Joda sy Benjamina sy Efraima sy Manase: 4dia Otahy, zanak'i Amihoda, zanak'i Omry, zanak'Imry, zanak'i Bany, avy amin'ny taranak'i Fareza, zanak'i Joda. 5Ary tamin'ny Silonita dia Asay, lahimatoa, sy ny zanany. 6Ary tamin'ny taranak'i Zera dia Jeoela sy ny rahalahiny, dia sivi-folo amby enin-jato. 7Ary tamin'ny taranak'i Benjamina dia Salo, zanak'i Mesolama, zanak'i Hodavia, zanak'i Hasenoa, 8sy Jibnia, zanak'i Jerohama, sy Elaha, zanak'i Ozy, zanak'i Mikry, sy Mesolama, zanak'i Sefatia, zanak'i Regoela, zanak'i Jibnia; 9ary ny isan'ny rahalahiny araka ny firazanany dia enina amby dimam-polo sy sivin-jato. Ireo lehilahy rehetra ireo dia samy lohan'ny fianakaviany avy. ¶ 10Ary tamin'ny mpisorona dia Jedaia sy Joiariba sy Jatina 11sy Azaria, zanak'i Hilkia, zanak'i Mesolama, zanak'i Zadoka, zanak'i Meraiota, zanak'i Ahitoba, mpanapaka ny tranon'Andriamanitra, 12ary Adaia, zanak'i Jerohama, zanak'i Pasora, zanak'i Malkia, ary Masay, zanak'i Adiela, zanak'i Jazera, zanak'i Mesolama, zanak'i Mesilemita, zanak'Imera. 13Ary ny rahalahin'ireo, izay samy lohan'ny fianakaviany avy, dia enim-polo amby fiton-jato amby arivo; lehilahy mahery amin'ny fanaovana ny fanompoana ao an-tranon'Andriamanitra ireo. ¶ 14Ary tamin'ny Levita dia Semaia, zanak'i Hasoba, zanak'i Azrikama, zanak'i Hasabia, tamin'ny taranak'i Merary, 15ary Bakbakara sy Haresy sy Galala sy Matania, zanak'i Mika, zanak'i Zikry, zanak'i Asafa, 16ary Obadia, zanak'i Semaia, zanak'i Galala, zanak'i Jedotona, ary Berekia, zanak'i Asa, zanak'i Elkana, izay nonina tamin'ny vohitry ny Netotatita. ¶ 17Ary ny mpiandry varavarana dia Saloma sy Akoba sy Talmona sy Ahimana ary ny rahalahiny; fa Saloma no lohany; 18ambaraka ankehitriny dia ao amin'ny vavahadin'ny mpanjaka atsinanana izy; ireo no mpiandry varavarana tamin'ny tobin'ny taranak'i Levy. 19Ary Saloma, zanak'i Kore, zanak'i Abiasafa, zanak'i Kora, sy ny Koraita rahalahiny araka ny fianakaviany avy no mpanao ny fanompoana amin'ny fiandrasana ny varavaran'ny lay; ary ny razany koa dia mpiambina ny vavahady tao amin'ny tobin'i Jehovah. 20Ary Finehasa, zanak'i Eleazara, no mpanapaka ireo taloha, ary Jehovah nomba azy. 21Ary Zakaria, zanak'i Meselemia, no mpiandry ny varavaran'ny trano-lay fihaonana. 22Ary ny isan'ireo voafidy ho mpiandry varavarana ireo dia roa ambin'ny folo amby roan-jato. Ireo dia voasoratra araka ny firazanany tany amin'ny vohiny avy; ary notendren'i Davida sy Samoela mpahita izy noho ny fahamarinany. 23Ka dia ireo sy ny taranany no niandry varavarana tao amin'ny tranon'i Jehovah, dia ny trano-lay. ¶ 24Teo amin'ny lafiny efatra no nitoeran'ny mpiandry varavarana, dia teo atsinanana sy andrefana sy avaratra ary atsimo. 25Ary ny rahalahiny izay nonina teo amin'ny vohiny dia nasaina ho avy isan-kafitoana ho eo aminy. 26Fa nanao tamin'ny fahamarinany ireo Levita efa-dahy, lohan'ny mpiandry varavarana, ireo, ary tonian'ny efi-trano fitehirizana sy ny rakitry ny tranon'Andriamanitra koa izy ireo. 27Ary manodidina ny tranon'Andriamanitra no nandriany; fa izy ireo no mpiambina azy sady adidiny ny famohana ny trano isa-maraina. 28Ary ny sasany aminy nitandrina ny fanaka momba ny fanompoana; fa an-isany no nitondrany azy miditra sy mivoaka. 29Ary ny sasany aminy koa notendrena hitandrina ny fanaka, dia ny fanaka masina rehetra, sy ny koba tsara toto sy ny divay sy ny diloilo sy ny ditin-kazo manitra ary ny zava-manitra. 30Ary ny sasany tamin'ny zanaky ny mpisorona nangaroharo ny zava-manitra fanosorana. 31Ary Matatia, anankiray tamin'ny Levita, lahimatoan'i Saloma Koraita, no tonian'ny zavatra izay natao tamin'ny fanendasana. 32Ary ny sasany tamin'ny rahalahiny, tamin'ny taranaky ny Kehatita, no tonian'ny mofo aseho hamboatra azy isan-tSabata. 33Ary ireo ihany koa no mpihira, lohan'ny fianakaviana amin'ny Levita, izay mitoetra tsy manan-draharaha hafa ao amin'ireo efi-trano; fa tsy maintsy ho amin'izany raharaha izany andro aman'alina izy. 34Ireo dia lohan'ny fianakaviana tamin'ny Levita araka ny firazanany avy, dia samy loholona. Ireo no nonina tany Jerosalema. ¶ 36ary ny zanany lahimatoa dia Abdona, dia Zora, dia Kisy, dia Bala, dia Nera, dia Nadaba, 37dia Gedora, dia Ahio, dia Zakaria, dia Miklota. 38Ary Miklota niteraka an'i Simeama. Ary ireo koa niara-nonina tamin'ny rahalahiny tany Jerosalema nifanandrify fonenana taminy. 39Ary Nera niteraka an'i Kisy; ary Kisy niteraka an'i Saoly; ary Saoly niteraka an'i Jonatana sy Malkisoa sy Abinadaba ary Esbala. 40Ary ny zanakalahin'i Jonatana dia Meribala, ary Meribala niteraka an'i Mika. 41Ary ny zanakalahin'i Mika dia Pitona sy Maleka sy Tarea ary Ahaza. 42Ary Ahaza niteraka an'i Jara; ary Jara niteraka an'i Alemeta sy Azmaveta ary Zimry; ary Zimry niteraka an'i Moza; 43ary Moza niteraka an'i Binea; ary Refaia no zanakalahin'i Binea, Elasa no zanakalahin'i Refaia, Azela no zanakalahin'i Elasa. 44Ary Azela nanana zanaka enina mirahalahy ka izao no anarany avy: Azrikama sy Bokero sy Isimaela sy Searia sy Obadia ary Hanana; ireo no zanakalahin'i Azela. ¶