1 Ary ny taranak'i Asafa sy Hemana ary Jedotona dia natokan'i Davida sy ireo komandin'ny miaramila ho amin'ny fanompoana mba haminany amin'ny lokanga sy ny valiha ary ny kipantsona; ary izao no isan'ny mpanao araka ny fanompoany avy: 2Tamin'ny zanakalahin'i Asafa dia Zakora sy Josefa sy Netania ary Asarela, zanak'i Asafa, nofehezin'i Asafa, izay naminany araka izay nifehezan'ny mpanjaka azy. 3Tamin'i Jedotona, ny zanany dia Gedalia sy Zery sy Jesaia sy Hasabia ary Matitia, enin-dahy ireo ka nofehezin'i Jedotona rainy, izay naminany tamin'ny lokanga hidera sy hisaotra an'i Jehovah. 4Tamin'i Hemana, ny zanany dia Bokia, Matania, Oziela, Seboela sy Jerimota, Hanania, Hanany, Eliata, Gidalty sy Romamti-ezera sy Josbekasa sy Maloty sy Hotira ary Mahaziota. 5Ireo rehetra ireo no zanak'i Hemana, mpahitan'ny mpanjaka ny amin'ny tenin'Andriamanitra, hanandratra ny tandroka. Ary Hemana dia efa nomen'Andriamanitra zazalahy efatra ambin'ny folo sy zazavavy telo. 6Ireo rehetra ireo no fehin'ny rainy tamin'ny hira natao tao an-tranon'i Jehovah tamin'ny kipantsona sy ny valiha sy ny lokanga hanaovana ny fanompoana ao an-tranon'Andriamanitra; Asafa sy Jedotona ary Hemana dia nofezehin'ny mpanjaka. 7Ary ny isany mbamin'ny rahalahiny, izay efa nianatra ny hira ho an'i Jehovah izay rehetra nahay dia valo amby valo-polo amby roan-jato. 8Ary nanao filokana ny amin'ny anjara-raharahany avy izy, na ny kely na ny lehibe, na ny mpampianatra na ny mpianatra. 9Ary ny loka voalohany dia azon'i Josefa avy amin'ny taranak'i Asafa; ny faharoa an'i Gedalia, izy mbamin'ny rahalahiny sy ny zanany, dia roa ambin'ny folo; 10ny fahatelo an'i Zakora, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo; 11ny fahefatra an'i Jizry, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo; 12ny fahadimy an'i Netania, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo; 13ny fahenina an'i Bokia, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo; 14ny fahafito an'i Jesarela, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo; 15ny fahavalo an'i Jesaia, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo; 16ny fahasivy an'i Matania, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo; 17ny fahafolo an'i Simey, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo; 18ny fahiraika ambin'ny folo an'i Azarela, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo; 19ny faharoa ambin'ny folo an'i Hasabia, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo; 20ny fahatelo ambin'ny folo an'i Sobaela, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo; 21ny fahefatra ambin'ny folo an'i Matitia, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny dia roa ambin'ny folo; 22ny fahadimy ambin'ny folo an'i Jeremota, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny dia roa ambin'ny folo; 23ny fahenina ambin'ny folo an'i Hanania, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo; 24ny fahafito ambin'ny folo an'i Josbekasa, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo; 25ny fahavalo ambin'ny folo an'i Hanany, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo; 26ny fahasivy ambin'ny folo an'i Maloty, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo; 27ny faharoa-polo an'i Eliata, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo; 28ny fahiraika amby roa-polo an'i Hotira, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo; 29ny faharoa amby roa-polo an'i Gidalty, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo; 30ny fahatelo amby roa-polo an'i Mahaziota, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo; 31ny fahefatra amby roa-polo an'i Romamti-ezera, izy mbamin'ny zanany sy ny rahalahiny, dia roa ambin'ny folo. ΒΆ