1Lozan'ny tanàna miodina sady voaloto, Dia ilay mampahory! 2Tsy nihaino ny feo izy, Na nino anatra; Jehovah tsy nitokiany, Andriamaniny tsy nohatoniny. 3Liona mierona ao aminy ireo lehibeny; Amboadia hariva ny mpitsarany Ka tsy mamela ho tra-maraina. 4Vavana sady mpamitaka ny mpaminaniny; Mandoto izay masina ny mpisorony, Eny, mamadika ny lalàna izy. 5Jehovah no marina ao afovoany, Tsy manao izay tsy marina Izy; Isa-maraina isa-maraina no amoahany ny fitsarany ho amin'ny mazava, ka tsy diso izany. Fa ny tsy marina tsy mba mahalala henatra. 6Efa nahafongana firenena Aho, Rava ny tilikambo eny amin'ny zorony; Nosimbako ny lalany tsy hisy mpandeha; Rava ny tanànany, ka tsy misy olona, Eny, tsy misy mponina. 7Hoy Izaho: Hatahotra Ahy tokoa ianao ka hino anatra, Dia tsy ho rava ny fonenanao, Araka izay rehetra voatendriko hamelezana anao; Kanefa nifoha maraina koa izy ka nanao Izay ratsy rehetra. ¶ 8Koa miandrasa Ahy ianareo, hoy Jehovah, Ambara-pihavin'ny andro hitsanganako haka babo; Fa izao no kasaiko hatao: Hamory firenena sy hanangona fanjakana Aho, Hanidinako ny fahatezerako amin'ireo, dia ny firehetan'ny fahatezerako rehetra, Ka ho levon'ny afon'ny fahasaro-piaroko ny tany rehetra. ¶ 10Avy any an-dafin'ny onin'i Etiopia no hitondrana ny mpivavaka amiko, Dia ny zanakavavin'izay naeliko, ho fanatitra ho Ahy. 11Amin'izany andro izany dia tsy ho menatra ianao tamin'izay nataonao rehetra, Izay nanotanao tamiko; Ka dia hesoriko aminao ireo mibitaka amim-pireharehana, Ary tsy hiavonavona eo an-tendrombohitro masina intsony ianao. 12Nefa hamelako olona ory sy malahelo ihany ao aminao, Ary ny anaran'i Jehovah no hialofany, 13Ny sisa amin'ny Isiraely dia tsy hanao meloka na handainga, Ary tsy hisy lela mamitaka eo am-bavany; Fa hihinana sy handry izy, ka tsy hisy hanaitaitra azy. 14Mihobia, ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Isiraely; Mifalia sy miravoravoa amin'ny fonao rehetra, ry Jerosalema zanakavavy. 15Jehovah efa nampitsahatra ny fitsarana anao ka nandroaka ny fahavalonao; Jehovah, Mpanjakan'ny Isiraely, no ao aminao; Tsy hahita loza intsony ianao. 16Amin'izany andro izany dia holazaina amin'i Jerosalema hoe: Aza matahotra Ary aza miraviravy tanana, ry Ziona. 17Jehovah Andriamanitrao no ao aminao, Mahery Izy ka hamonjy; Hiravoravo anao amin'ny fifaliana Izy; Ho sondriana amin'ny fitiavany Izy; Hifaly anao amin'ny fihobiana Izy. 18Hangoniko izay manina ny fotoam-pivavahana; Avy aminao ihany ireny, Ary itambesaran'ny latsa izy. 19Indro, hasiako amin'Izany andro izany izay rehetra nampahory anao; Hovonjeko ny mandringa, ary hovoriko ny noroahina, Eny, hataoko ho fiderana sy ho anarana ireny izay efa nitondra henatra tany amin'ny tany rehetra. 20Amin'izany andro izany no hitondrako anareo miditra, Eny, amin'izany andro izany no hanangonako anareo; Fa hataoko ho anarana sy ho fiderana any amin'ny firenena rehetra amin'ny tany ianareo, Raha hampodiko avy amin'ny fahababoana ianareo, ka ho hitan'ny masonareo izany, hoy Jehovah. ¶