1 Teny faminaniana avy tamin'i Jehovah ny amin'ny loza hanjo ny tany Hadraka, Ary Damaskosy no hiharany - Fa ny mason'i Jehovah mandinika ny olombelona Mbamin'ny firenena rehetra amin'ny Isiraely - 2Sy Hamata koa, izay mifanolotra aminy, Ary Tyro sy Sidona koa, satria hendry izy. 3Ary Tyro nanao manda mafy ho azy Ka nanangona volafotsy hoatra ny vovoka Sy volamena tsara hoatra ny fotaka eny an-dalambe. 4Indro, hofoanan'ny Tompo ny fananany, Sady hasiany koa ny heriny ao amin'ny ranomasina; Ary ny tenany ho levon'ny afo. 5Askelona hahita izany ka ho raiki-tahotra, Gaza koa, ka ho toran-kovitra indrindra, Ary Ekrona, fa ho tonga henatra ny fanantenany; Tsy hisy mpanjaka intsony ao Gaza, Ary Askelona tsy honenana. 6Zazasary no ho mpanjaka ao Asdoda, Ary hofoanako ny reharehan'ny Filistina. 7Hesoriko eny am-bavany ny ràny, Sy ny fahavetavetany tsy ho eny anelanelan'ny nifiny; Ary izy koa ho sisa ho an'Andriamanitsika Sy ho toy ny lohany amin'ny firenen'i Joda, Ary Ekrona ho toy ny Jebosita. 8Ary hitoby Aho hiaro ny tranoko noho ny miaramila betsaka, Dia noho izay mandroso sy miverina; Ary tsy hisy mpampahory handeha hamaky eo aminy intsony, Fa ankehitriny dia efa hitan'ny masoko. 9Mifalia indrindra, ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Jerosalema zanakavavy; Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao; Marina Izy sady manam-pamonjena, Malemy fanahy sady mitaingina boriky Dia zana-boriky tanora. 10Ary hofoanako tsy hisy kalesy intsony Efraima, Na soavaly any Jerosalema, Hofoanana koa ny tsipìka fiadiana, Ary hiteny fiadanana amin'ny jentilisa Izy; Ny fanapahany dia hatramin'ny ranomasina ka hatramin'ny ranomasina Ary hatramin'ny Ony ka hatramin'ny faran'ny tany. 11Ny aminao koa, noho ny ran'ny fanekena taminao No efa namoahako ny mpifatotrao avy tao an-davaka tsy misy rano. 12Miverena ho amin'ny fiarovana mafy, ianareo mpifatotra manana ny fanantenana! Anio no hanambarako hoe: Hanonitra roa heny ho anao Aho. 13Fa nohenjaniko ho Ahy Joda, Efraima nataoko zana-tsipìka; Ary hotairiko ny zanakao, ry Ziona, hiady amin'ny zanakao, ry Grisia, Ary hataoko toy ny sabatry ny lehilahy mahery ianao, 14Ary Jehovah hiseho ao aminy, Ka handeha toy ny helatra ny zana-tsipìkany, Jehovah Tompo hitsoka anjomara Ka handeha amin'ny tafio-drivotra any atsimo. 15Ary Jehovah, Tompon'ny maro, no hiaro ireny; Dia hihinana ireny ka hanitsakitsaka vaton'antsamotady; Ary hisotro ireny ka hihorakoraka tahaka ny azon'ny divay, Ary ho feno toy ny lovia famafazana ireny, dia toy ny zoron'ny alitara. 16Ary hovonjen'i Jehovah Andriamaniny ireny amin'izany andro izany Toy ny olona izay ondriny; Fa ho toy ny vaton-tsatro-boninahitra Mamirapiratra eny amin'ny taniny ireny. 17Fa akory ny hasoany! ary akory ny hatsaran-tarehiny! Vary no hampaharoroka ny zatovo, Ary ranom-boaloboka kosa ny zazavavy. ¶