1 Dia natopiko indray ny masoko, ka hitako fa, indro, nisy horonan-taratasy manidina. 2Ary hoy izy tamiko: Inona moa no hitanao? Dia hoy izaho: Mahita horonan-taratasy manidina aho; roa-polo hakiho ny lavany, ary folo hakiho ny sakany. 3Dia hoy izy tamiko: Izany no ozona mivoaka ho eny amin'ny tany rehetra; fa izay rehetra mangalatra dia hosorohina araka izany, ary izay rehetra mianiana dia hosorohina araka izany koa. 4Ho entiko mivoaka izany, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, ka hiditra ao an-tranon'ny mpangalatra sy ao an-tranon'izay mianian-tsy tò amin'ny anarako ary hitoetra ao amin'ny tranony ka handevona azy mbamin'ny hazony sy ny vatony. 5Dia nivoaka ilay anjely niresaka tamiko ka nanao tamiko hoe: Atopazy ny masonao, ka jereo io mivoaka io. 6Dia hoy izaho: Inona moa io ? Ary hoy izy: Io ilay vata famarana 'mivoaka. Hoy koa izy: Izao no tarehiny any amin'ny tany rehetra 7(ary, indro, nisy vongam-piraka boribory naingaina); ary io no vehivavy iray mipetraka ao anatin'ny vata famarana. 8Ary hoy izy: Faharatsiana io. Ka dia natontany tao anatin'ny vata famarana io; ary natontany teo am-bavan'io ny vato firaka. 9Dia natopiko ny masoko, ka hitako fa, indreo, nisy vehivavy roa nivoaka, ary nahazo rivotra ny elany, fa nanana elatra toy ny elatry ny vano izy; ary naingainy ho eo anelanelan'ny tany sy ny lanitra ny vata famarana.7 10Dia hoy izaho tamin'ilay anjely niresaka tamiko: Ho aiza no itondran'ireto ny vata famarana. 11Ary hoy izy tamiko: Hanaovana trano ho azy any amin'ny tany Sinara, ary rehefa vita izany, dia hapetraka ao amin'ny fipetrahany izy. ¶