1Miverena, miverena, ry Solemita; Miverena, miverena, mba hijerenay anao. Inona no hitanareo amin'ny Solemita? Dihy tahaka ny an'i Mahanaima. 2Endrey! mahate-hijery ny famindran'ny tongotrao mikiraro, ry zazavavy zanak'andriana! Dia tahaka ny firavaka ny amboam-penao, nataon'ny tanan'ny mahay zavatra. 3Ny foitrao dia tahaka ny tomaboha kivorivory; Tsy ho diso divay noharoharoan-java-manitra anie izy! Ny kibonao dia tahaka ny vary tritika voatoby sady voaravaka lilia manodidina. 4Ny nononao roa dia tahaka ny gazela kambana mbola tanora. 5Ny vozonao dia tahaka ny tilikambo ivory; Ny masonao dia tahaka ny kamory any Hesbona, dia eo am-bavahadin'ny tanàna be olona; Ny oronao dia tahaka ny tilikambo any Libanona, izay manandrify an'i Damaskosy. 6Ny lohanao dia tahaka an'i Karmela, ary ny volon-dohanao milantolanto dia somary volomparasy. Voatanan'ny volo olioly ny mpanjaka! 7Endrey! tsara tarehy sady mahafinaritra ianao, ry malala, amin'izao zava-mahafinaritra rehetra izao! 8Izato tsangananao dia tahaka ny rofia, Ary ny nononao dia tahaka ny sampahony. 9Hoy izaho: Hananika ny rofia aho ka handray ny rantsany; Ary aoka ny nononao ho toy ny sampahom-boaloboka amiko, ary ny fofonainao ho tahaka ny an'ny poma, ¶ 10Ny vavanao dia toy ny divay tsara, eny, divay mikorotsaka mora eo an-tendan'ny malalako sady miditra misononoka amin'ny molotry ny matory. 11An'ny malalako aho, sady manina ahy izy. 12Avia, ry malalako, aoka handeha ho any an-tsaha isika; Andeha handry any ambanivohitra isika. 13Dia aoka hifoha maraina koa ho any an-tanim-boaloboka isika; Aoka hizahantsika raha mitsimoka ny voaloboka, sy mivelatra ny voniny, ary mamony ny ampongaben-danitra any no hanehoako ny fitiavako anao. Mamerovero tsara ny dodaima, sady ao am-bavahadintsika misy voankazo tsara samy hafa, na ny vao na ny ela: Efa notehiriziko ho anao izany, ry malalako. ¶