1Tsy fantatrareo, va, ry rahalahy (fa miteny amin'izay mahalala ny lalàna aho), fa ny lalàna dia manapaka ny olona, raha mbola velona izy? 2Fa ny vehivavy izay manambady dia fehezin'ny lalàna ho an'ny lahy, raha mbola velona ny lahy; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka amin'ny lalàn'ny lahy izy. 3Koa raha mbola velona ny lahy, ka manambady olon-kafa ravehivavy, dia hatao hoe mpijangajanga izy; fa raha maty kosa ny lahy, dia afaka amin'izany lalàna izany izy ka tsy mba mpijangajanga, na dia manambady olon-kafa aza. 4Ary amin'izany ianareo koa, ry rahalahiko, dia efa natao maty ny amin'ny lalàna noho ny tenan'i Kristy, mba ho vadin'ny hafa ianareo, dia Izay natsangana tamin'ny maty, mba hahavokarantsika ho an'Andriamanitra. 5Fa fony tao amin'ny nofo isika, dia ny filan'ny ota, izay nohetsehin'ny lalàna, no niasa tao amin'ny momba ny tenantsika hahavokatra ho amin'ny fahafatesana. 6Fa ankehitriny dia efa afaka tamin'ny lalàna isika, satria maty ny amin'izay nihazonana antsika, ka dia manompo amin'ny havaozam-panahy isika, fa tsy amin'ny hahelan-tsoratra. 7Inona ary no holazaintsika? Ota va ny lalàna? Sanatria izany! Kanefa tsy nahalala ny ota aho, raha tsy tamin'ny lalàna, satria tsy fantatro akory ny fitsiriritana, raha tsy ny lalàna no nanao hoe: Aza mitsiriritra (Eks. 20. 17). 8Fa io didy io dia nentin'ny ota nampihetsika ny fitsiriritana rehetra tato anatiko; fa maty ny ota, raha tsy misy lalàna. 9Ary izaho dia velona tsy nanan-dalàna fahiny; fa rehefa tonga kosa ny didy, dia velona indray ny ota, ka dia maty aho. 10Ary ny didy izay natao hahazoana fiainana, dia hitako fa nahatonga fahafatesana tamiko kosa. 11Fa io didy io dia nentin'ny ota namitaka sy nahafaty ahy. ¶ 12Ka dia masina tokoa ny lalàna, ary masina ny didy sady marina no tsara. 13Koa ny tsara va no nahafaty ahy? Sanatria izany! Fa ny ota no nahafaty ahy, mba hiseho ho ota; fa ny tsara no nentiny nahafaty ahy, mba ho tonga ota indrindra ny ota noho ny nataon'ny lalàna. 14Fa fantatsika fa araka ny fanahy ny lalàna; fa izaho kosa nofo, namidy ho andevon'ny ota. 15Fa izay ataoko dia tsy fantatro; fa tsy izay sitrako no ataoko; fa izay halako no ataoko. 16Fa raha manao ny tsy sitrako aho, dia manaiky fa tsara ny lalàna. 17Ary amin'izany tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato anatiko. 18Fa fantatro fa tsy misy zavatra tsara mitoetra ato amiko, dia ato amin'ny nofoko; fa ato anatiko ihany ny fikasana, saingy ny hahatanteraka ny tsara no tsy ato. 19Fa tsy ny tsara izay sitrako no ataoko; fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko. 20Fa raha ny tsy sitrako no ataoko, dia tsy izaho intsony no manao izany, fa ny ota izay mitoetra ato amiko. 21Koa hitako izao lalàna izao: raha ta-hanao ny marina aho, dia ato amiko ihany ny ratsy. 22Fa mankasitraka ny lalàn'Andriamanitra aho araka ny toetra anaty; 23nefa mahita lalàna hafa amin'ny momba ny tenako aho, miady amin'ny lalàn'ny saiko ka mamabo ahy ho an'ny lalàn'ny ota izay ao amin'ny momba ny tenako. 24Indrisy! olo-mahantra aho! Iza no hanafaka ahy amin'ny tenan'ity fahafatesana ity? 25Misaotra an'Andriamanitra aho amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika. Koa raha ny amiko, dia mankatò ny lalàn'Andriamanitra aho amin'ny saiko, fa ny lalàn'ny ota kosa amin'ny nofoko. ¶