1 Indry, Foiby anabavintsika, diakon'ny fiangonana atỳ Kenkrea, lazaiko tsara aminareo, 2mba horaisinareo ao amin'ny Tompo izy, toy izay miendrika ny olona masina, ary mba hampianareo izy amin'izay raharaha ilany anareo; fa izy dia mpiahy ny maro mbamin'ny tenako koa. 3Veloma amin'i Prisila sy Akoila, mpiara-miasa amiko ao amin'i Kristy Jesosy; 4izy mivady dia nanolotra ny tendany hamonjy ny aiko; nefa tsy izaho ihany no misaotra azy, fa ny fiangonana rehetra any amin'ny jentilisa koa. 5Ary veloma amin'ny fiangonana izay ao an-tranony. Veloma amin'i Epaineto malalako, izay voaloham-bokatr'i Asia ho an'i Kristy. 6Veloma amin'i Maria, izay nikely aina fatratra ho anareo. 7Veloma amin'i Androniko sy Jonia, havako sy namako niara-nifatotra tamiko, izay malaza eo amin'ny Apostoly sady tao amin'i Kristy talohako. 8Veloma amin'i Ampliato, malalako ao amin'ny Tompo. 9Veloma amin'i Orbano, mpiara-miasa aminay ao amin'i Kristy, sy Staky malalako. 10Veloma amin'i Apela, ilay efa voazaha toetra ao amin'i Kristy. Veloma amin'ny ankohonan'i Aristobolo. 11Veloma amin'i Herodiona havako. Veloma amin'ny ankohonan'i Narkisa, izay ao amin'ny Tompo. 12Veloma amin'i Tryfena sy Tryfosa, izay mikely aina ao amin'ny Tompo. Veloma amin'i Perysa malala, izay nikely aina fatratra ao amin'ny Tompo. 13Veloma amin'i Rofosy, ilay voafidy ao amin'ny Tompo, ary amin'ny reniny sy reniko. 14Veloma amin'i Asynkrito, Flegona, Hermesy, Patroba, Herma, mbamin'ny rahalahy ao aminy. 15Veloma amin'i Filologo sy Jolia, Nerea sy ny anabaviny, sy Olympa ary ny olona masina rehetra izay ao aminy. 16Mifanaova veloma amin'ny fanorohana masina. Ny fiangonana rehetra an'i Kristy manao veloma anareo. ¶ 17Fa izaho mananatra anareo, ry rahalahy, mba hitandrina ny amin'izay mahatonga ny fisarahana sy ny fahatafintohinana tsy araka ny fampianarana efa nianaranareo; mialà amin'ireny olona ireny. 18Fa izy ireny tsy mba manompo an'i Kristy Tompontsika, fa ny kibony ihany; ary teny malefaka sady tsara lahatra no amitahany ny fon'ny tsy ary saina. 19Fa efa niely any amin'ny olona rehetra ny lazan'ny fanarahanareo. Ary faly aho noho ny aminareo; satria tiako ho hendry amin'izay tsara ianareo, ary tsy hiharo amin'izay ratsy. 20Fa Andriamanitry ny fiadanana hanorotoro an'i Satana faingana eo ambanin'ny tongotrareo. Ho aminareo anie ny fahasoavan'i Jesosy Kristy Tompontsika. 21Manao veloma anareo Timoty, mpiara-miasa amiko, sy Losio sy Jasona ary Sosipatro havako. ¶ 22Izaho, Tertio, izay manoratra ity epistily ity, manao veloma anareo ao amin'ny Tompo. 23Gaio, ilay itoeranay sy ny fiangonana rehetra, manao veloma anareo. Erasto, mpitahiry ny volam-panjakana ato an-tanàna, sy Koarto rahalahy manao veloma anareo. ¶ 24 25Ary ho an'izay mahay mampahery anareo araka ny filazantsarako sy ny fitoriana an'i Jesosy Kristy, araka ny fampisehoana ny zava-niafina, izay voàfina hatry ny fony fahagola, 26fa efa naseho ankehitriny tamin'izay soratry ny mpaminany, araka ny didin'Andriamanitra mandrakizay, ka nampahafantarina any amin'ny firenena rehetra hahatonga fanekena ny finoana, 27ho an'Andriamanitra tokana ihany sady hendry anie ny voninahitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy mandrakizay mandrakizay. Amena. ¶