1 Mihira fihiram-baovao ho an'i Jehovah; Mihirà ho an'i Jehovah ry tany rehetra. 2Mihirà ho an'i Jehovah, misaora ny anarany; Lazao isan'andro isan'andro ny famonjeny mahafaly. 3Ambarao any amin'ny jentilisa ny voninahiny Ary any amin'ny firenena rehetra ny fahagagana ataony. ¶ 4Fa lehibe Jehovah ka mendrika hoderaina indrindra, Sady mahatahotra, fa ambonin'ny Andriamanitra rehetra. 5Fa ny andriamanitry ny firenena dia tsinontsinona; Fa Jehovah no nanao ny lanitra. 6Famirapiratana sy voninahitra no eo anatrehany; Hery sy fahatsaran-tarehy no ao amin'ny fitoerany masina. 7Ry firenena, manomeza an'i Jehovah, Eny, manomeza voninahitra sy hery ho an i Jehovah. 8Manomeza an'i Jehovah ny voninahitry ny anarany; Mitondrà fanatitra, ka mankanesa eo an-kianjany. 9Miankohofa eo anatrehan'i Jehovah amin'ny fihaingoana masina; Mangovita eo anatrehany, ry tany rehetra. 10Lazao any amin'ny jentilisa fa Jehovah no Mpanjaka; Ary izao rehetra izao voaorina ka tsy hihetsika; Hitsara ny olona amin'ny fahamarinana Izy. ¶ 11Aoka ho faly ny lanitra ary ho ravoravo ny tany; Aoka hirohondrohona ny ranomasina sy izay rehetra ao aminy. 12Aoka ho faly ny saha sy izay rehetra eo aminy; Dia hihoby amin'izay ny hazo rehetra any an'ala 13Eo anatrehan'i Jehovah, fa avy Izy, Eny, avy hitsara ny tany Izy; Hitsara izao tontolo izao araka ny rariny Izy Ary ny firenena amin'ny fahamarinany. ¶