1 Jehovah, Andriamanitra Mpamaly ny natao, ô, Andriamanitra, Mpamaly ny natao, ô, mamirapirata. 2Misandrata, ry Mpitsara ny tany, ô; Mamalia ny mpiavonavona. ¶ 3Mandra-pahoviana re ny ratsy fanahy, Jehovah ô, Mandra-pahoviana re no mbola hifalifaly ny ratsy fanahy? 4Mirezadrezatra sy miteny sahisahy izy; Mirehareha ny mpanao ratsy rehetra. 5Ny olonao, Jehovah ô, torotoroiny, Ary ny lovanao ampahoriny; 6Ny mpitondratena sy ny vahiny vonoiny, Ary ny kamboty dia matiny 7Fa hoy izy: Tsy mijery Jehovah, Ary tsy mandinika Andriamanitr'i Jakoba. ¶ 8Mahalalà ianareo olona ketrina; Ary ianareo adala, rahoviana re no mba ho hendry ianareo? 9Ny Mpanao ny sofina va tsy handre? Ny Mpamorona ny maso va tsy hahita? 10Ny Mpampianatra ny jentilisa va tsy hananatra, Dia Izay mampianatra fahalalana ny olona? 11Jehovah no mahalala ny hevitry ny olona, Fa zava-poana izany. ¶ 12Sambatra izay olona anarinao, Jehovah ô, Sady ampianarinao avy amin'ny lalanao, 13Mba homenao fitsaharana amin'ny andro fahoriana izy, Mandra-pihady lavaka ho an'ny ratsy fanahy. 14Fa Jehovah tsy mba hanary ny olony, Ary ny lovany tsy hafoiny. 15Fa ny fitsarana hiverina ho amin'ny fahamarinana, Ary hanaraka izany ny mahitsy fo rehetra ¶ 16Iza no hitsangana ho ahy hisakana ny mpanao ratsy? Iza no hiseho ho ahy hisakana ny mpanao meloka? 17Raha tsy Jehovah no Mpamonjy ahy, Dia efa saiky nalaky nitoetra tao amin'ny mangingina ny fanahiko. 18Fony aho nanao hoe: Mangozohozo ny tongotro, Dia ny famindram-ponao, Jehovah ô, no nanohana ahy. 19Raha be ny ahiahy ato anatiko Dia mampifaly ny fanahiko ny fampiononanao. 20Hikambana aminao va ny seza fiandrianan'ny ratsy, Izay misaina fampahoriana manohitra ny lalàna? ¶ 21Manao andiany hamely ny fanahin'ny marina ireo Ka manameloka ny rà marina. 22Fa tonga fiarovana avo ho ahy Jehovah; Ary vatolampy fialofako Andriamanitro. 23Dia ampanodiaviny azy ireo ny helony ka aringany noho ny faharatsiany izy; Eny, aringan'i Jehovah Andriamanitsika izy. ¶