1 Ho an'ny mpiventy hira, Almoth-laben. Salamo nataon'i Davida. Hidera an'i Jehovah amin'ny foko rehetra aho; hanambara ny fahagaganao rehetra aho. 2Ho faly sy ho ravoravo aminao aho; hankalaza ny anaranao aho ry Avo Indrindra ô, ¶ 3Satria lasa nihodina ny fahavaloko, nirepirepy izy ka ringana tsy ho eo anatrehanao. 4Fa efa nitsara ahy Hianao ka nanome ahy ny rariny; mipetraka eo amin'ny seza fitsaranao Hianao ho Mpitsara marina. 5Efa nanarinao mafy ny jentilisa, efa naringanao ny ratsy fanahy, ny anarany efa nokosehinao ho faty mandrakizay doria. 6Ny amin'ny fahavalo, dia tanteraka ho mandrakizay ny fandravàna azy; ary izay tanàna efa noravanao, dia very na dia ny fahatsiarovana azy aza. 7Kanefa Jehovah mitoetra mandrakizay, efa nametraka ny sezany hitsarany Izy, 8Ary Izy hitsara izao tontolo izao amin'ny fahamarinana, eny hitsara ny firenena amin'ny fahitsiana Izy. 9Ka dia Jehovah no ho fiarovana avo ho an'ny mahantra, ho fiarovana avo amin'ny andro fahoriana Izy. 10Ary hatoky Anao izay mahalala ny anaranao; fa tsy foinao izay mitady Anao, Jehovah ô. ¶ 11Mankalazà an'i Jehovah,Izay mitoetra any Ziona; ambarao any amin'ny firenena ny asany. 12Fa izay manadin-drà dia mahatsiaro ny ory; tsy manadino ny fitarainany Izy. 13Mamindrà fo amiko, Jehovah ô; mitsinjova ny fahoriako avy amin'izay mankahala ahy, Ry Mpanandratra ahy ho afaka amin'ny vavahadin'ny fahafatesana, 14Mba holazaiko avokoa ny fideràna Anao rehetra; eo am-bavahadin'i Ziona zanakavavy no hifaliako amin'ny famonjenao. ¶ 15Ny jentilisa efa latsaka tamin'ny lavaka izay nohadiny, ny fandrika harato izay nafeniny efa nahazo ny tongony, 16Jehovah efa nanao izay mampiseho ny tenany ho Mpitsara; namandrika ny ratsy fanahy tamin'ny asan'ny tànany Izy. 17Hiverina ho any amin'ny fiainan-tsi-hita ny ratsy fanahy, dia ny jentilisa rehetra izay manadino an'Andriamanitra. 18Fa tsy ho mandrakizay no hanadinoana ny malahelo; ary tsy ho very mandrakizay ny fanantenan'ny mahantra. ¶ 19Mitsangàna, Jehovah ô, aoka tsy hahery ny olona; aoka hotsaraina eo anatrehanao ny jentilisa. 20Asio fampahatahorana izy, Jehovah ô; aoka ho fantatry ny jentilisa fa olona ihany izy. ¶