1 Tonon-kira. Salamo nataon'i Asafa. Andriamanitra ô, aza mangina; aza mihombom-bava Hianao, ary aza mamitsaka, Andriamanitra ô. 2Fa, indro, mitabataba ny fahavalonao; ary izay mankahala Anao dia manandratra ny lohany. 3Ny olonao no iokoany amin'ny hafetsena; ary miara-misaina hamely izay voafinao izy. 4Hoy izy: Avia, ka andeha hofongorantsika tsy ho firenena izy, mba tsy hotsarovana intsony ny anaran'Isiraely. 5Fa efa niray tetika tokoa ireo, ka nanao fanekena hanohitra Anao, 6Dia ny lain'ny Edomita sy ny Isimaelita, ny Moabita sy ny Hagarita, 7Ny Gebalita sy ny Amonita ary ny Amalekita, ny Filistina mbamin'ny mponina any Tyro. 8Ny Asyriana koa nikambana taminy; tonga sandrin'ny taranak'i Lota ireo. ¶ 9Ataovy tahaka ny Midiana izy, ary tahaka an'i Sisera sy Jabina teo amin'ny ony Kisona; 10Maty tany En-dora ireo; tonga zeziky ny tany izy. 11Ataovy tahaka an'i Oreba sy Zeba ny mpanapaka azy. Eny, ny andrianany rehetra dia ataovy tahaka an'i Zebaha sy Zaimona, 12Izay nanao hoe: aoka halaintsika ho antsika ny fonenan'Andriamanitra. 13Andriamanitro ô, ataovy tahaka ny tadio ireo, dia tahaka ny akofa entin'ny rivotra, 14Tahaka ny afo mandoro ala sy tahaka ny lelafo mampirehitra tendrombohitra; 15Aoka ho toy izany no anafotofotoanao azy amin'ny tadionao, sy ampahatahoranao azy amin'ny tafio-drivotrao. 16Sarony henatra ny tavany, mba hitadiavany ny anaranao, Jehovah ô. 17Aoka ho menatra sy ho amin-tahotra mandrakizay izy; eny, aoka hangaihay sy haringana izy. 18Ary aoka ho fantany fa Hianao irery ihany, Izay atao hoe Jehovah, no ilay Avo Indrindra ambonin'ny tany rehetra. ¶