1 Salamo nataon'i Asafa. Andriamanitra dia eo amin'ny fiangonan'Andriamanitra; ary eo amin'ireo andriamanitra no itsarany. ¶ 2Mandra-pahoviana no hitsarànareo tsy marina ka ihenaranareo maso ny ratsy fanahy? 3Alaharo ny tenin'ny mahantra sy ny kamboty; omeo rariny ny ory sy ny malahelo; 4Vonjeo ny mahantra sy ny malahelo; afaho amin'ny tanan'ny ratsy fanahy izy. ¶ 5Tsy mahalala na mahazo an-tsaina ireny; ao amin'ny maizina no andehanany; mihorohoro ny fanambanin'ny tany rehetra. 6Hoy izaho: Andriamanitra ianareo, ary zanaky ny Avo Indrindra ianareo rehetra; 7Kanjo ho faty tahaka ny olona ihany ianareo, ary samy ho lavo tahaka ny anankiray amin'ny lehibe. ¶ 8Mitsangàna, Andriamanitra ô, tsarao ny tany; fa Hianao no handova ny firenena rehetra. ¶