1 Ho an'ny mpiventy hira. Al-shoshanim-edoth. Salamo nataon'i Asafa. Ry Mpiandry ny Isiraely ô, mihainoa, Hianao Izay mitondra an'i Josefa toy ny ondry; Hianao, Izay mipetraka amin'ny kerobima, mamirapiratra. 2Fohazy ny herinao eo anoloan'i Efraima sy Benjamina ary Manase, ka avia hamonjy anay. 3Andriamanitra ô, ampodio izahay, ka ampamirapirato ny Tavanao, ary aoka hovonjena izahay. ¶ 4Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, mandra-pahoviana no hanetroka amin'ny fivavaky ny olonao ny fahatezeranao? 5Mampihinana azy mofo len-dranomaso Hianao, ary mampisotro azy ranomaso tovozina. 6Ataonao ho fifandirana amin'ny mifanila fonenana aminay izahay; ary ny fahavalonay mifaly handatsa. 7Andriamanitry ny maro ô, ampodio izahay, ka ampamirapirato ny tavanao, ary aoka hovonjena izahay. ¶ 8Nisy voaloboka nafindranao avy tany Egypta; nandroaka ny jentilisa Hianao ka namboly azy kosa. 9Nitevy teo alohany Hianao, dia namaka lalina izy ka nameno ny tany. 10Nanaloka ny tendrombohitra ny alokalony, ary ny sampany nanaloka ny sedera andrian-kazo. 11Nampisandrahaka ny rantsany hatramin'ny ranomasina izy, ary ny sakeliny hatramin'ny Ony. 12Nahoana no noravànao ny fefiny ka anotazan'izay rehetra mandalo eny an-dalana izy? 13Ny lambo avy any an'ala mitrongy azy; ary izay bibi-dia any an-tsaha mandàny azy. 14Ry Andriamanitry ny maro ô, miverena, ka tsilovy any an-danitra, ary jereo, ka vangio ity voaloboka ity. 15Arovy izay nambolen'ny tananao ankavanana sy ny zanaka izay nampaherezinao ho Anao. 16Voadotry ny afo izy sady voakapa; fongotry ny fananaran'ny tavanao izy. ¶ 17Aoka ny tananao ho amin'ny lehilahin'ny tananao ankavanana, dia amin'ny zanak'olombelona izay nampaherezinao ho Anao. 18Dia tsy hihemotra hiala aminao izahay; velomy izahay, dia hiantso ny anaranao. 19Ry Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, ampodio izahay; ampamirapirato ny tavanao, ary aoka hovonjena Izahay. ¶