1 Maskila nataon'i Asafa. Henoy ny lalàko, ry oloko; atongilano ny sofinareo amin'ny tenin'ny vavako. 2Hiloa-bava hilaza fanoharana aho; hanonona teny saro-pantarina fony taloha aho. 3Izay efa rentsika sy fantatsika,ary nambaran'ny razantsika tamintsika, 4Dia tsy mba hafenintsika amin'ny zanany; fa hambarantsika amin'ny taranaka ho avy ny fiderana an'i Jehovah sy ny heriny ary ny fahagagana izay efa nataony. ¶ 5Fa nanorina teni-vavolombelona teo amin'i Jakoba Izy, ary teo amin'Isiraely no nametrahany lalàna, izay nandidiany ny razantsika, hampahafantariny ny zanany; 6Mba hahafantatra izany ny taranaka ho avy - dia ny zaza mbola hateraka - ka hitsangana hitory izany amin'ny zanany kosa, 7Mba hametraka ny fanantenany amin'Andriamanitra, ka tsy hanadino ny asany, fa hitandrina ny didiny; 8Mba tsy ho tahaka ny razany, izay taranaka maditra sy miodina, izy, dia taranaka izay tsy nampiomana ny fony, sady tsy marina tamin'Andriamanitra ny fanahiny. ¶ 9Ny zanak'i Efraima, izay nitondra tsipìka hitifirany, dia niamboho tamin'ny andro fiadiana. 10Tsy nitandrina ny fanekena amin'Andriamanitra izy, ary tsy nety nandeha araka ny lalàny; 11Nanadino ny asany izy sy ny fahagagana izay nampahitàny azy. ¶ 12Teo anatrehan'ny razany no nanaovany fahagagana tany amin'ny tany Egypta, dia tany amin'ny tany lemak'i Zoana. 13Nampisaraka ny ranomasina Izy ka nitondra azy nita, dia nampijanona ny rano ho toy ny antontan-javatra. 14Ary ny rahona no nitondrany azy raha antoandro, sy afo mahazava nony alina. 15Namaky vatolampy tany an-efitra Izy, ka nampisotro azy nanaram-po tahaka ny amin'ny rano lalina. 16Ary nampivoaka rano mandriaka avy tamin'ny harambato Izy ka nampirotsaka rano ho tahaka ny ony. ¶ 17Kanjo mbola nandroso nanota taminy ihany izy ireo, ka nampahatezitra ny Avo Indrindra tany an-efitra. 18Dia naka fanahy an'Andriamanitra tam-pony izy, tamin'ny nilàny hanina araka ny nahaliana azy. 19Dia niteny nanohitra an'Andriamanitra izy ka nanao hoe: mahavelatra latabatra atỳ an-efitra va Andriamanitra? 20Indro, namely ny vatolampy Izy, dia nigororoana ny rano ka nandriaka; mahay manome mofo koa va Izy? Mahatonga hena ho an'ny olony va Izy? ¶ 21Koa nony ren'i Jehovah izany, dia tezitra Izy; ary nisy afo nirehitra tamin'i Jakoba, sady nisy fahatezerana namely ny Isiraely, 22Satria tsy nino an'Andriamanitra izy ireo ka tsy natoky ny famonjeny. 23Kanefa nandidy ny rahona tany ambony Izy, ary ny varavaran'ny lanitra no novohàny, 24Dia nandatsaka mana teny aminy hohaniny Izy, ary varin'ny lanitra no nomeny azy. 25Ny fihinan'ny mahery no nohanin'ny olona; nanaterany hanina hahavoky azy izy. ¶ 26Nampandeha ny rivotra avy any atsinanana teny amin'ny lanitra Izy ary ny heriny no nitondrany ny rivotra avy any atsimo. 27Dia nampilatsahany hena betsaka hoatra ny vovoka izy sy voro-manidina hoatra ny fasiky ny ranomasina, 28Ka nalatsany teny afovoan'ny tobiny, manodidina ny fitoerany. 29Dia nihinana izy ireo ka voky tsara, ary izay nilainy dia nomeny azy. 30Nefa tsy niala tamin'ny filàny izy, ary mbola teo am-bavany ihany ny haniny; 31Dia nirehitra taminy ny fahatezeran'Andriamanitra, ka nahafatesany ny tremalahy teo aminy, ary naripany ny zatovolahin'ny Isiraely. ¶ 32Fa na dia izany rehetra izany aza, dia mbola nanota ihany izy ireo ka tsy nino ny fahagagana nataony. 33Dia nampahalevona ny androny toy ny fofonaina Izy, ary ny taonany tamin'ny fampitahorana. 34Raha novonoiny izy ireo, dia nitady hahalala an'Andriamanitra izy, ary niverina nikatsaka Azy. 35Dia nahatsiaro izy fa Andriamanitra no Vatolampiny, ary Andriamanitra Avo Indrindra no Mpanavotra azy. 36Kanefa nanao vava malefaka taminy ireo, ary ny lelany no nandaingàny taminy. 37Ary ny fony tsy niorina taminy; eny tsy nitana ny fanekeny izy. 38Nefa Andriamanitra kosa be famindram-po, dia mamela heloka ka tsy mandringana; eny nahatsindry fo tokoa Izy, ka tsy nofohaziny avokoa ny fahavinirany, 39Fa nahatsiaro Izy fa nofo ihany ireo, dia rivotra izay mandalo ka tsy miverina intsony. ¶ 40Impiry akory izy ireo no efa niodina taminy tany an-efitra, ka nampalahelo Azy tany amin'ny tany foana! 41Naka fanahy an'Andriamanitra mandrakariva izy, ka nampalahelo ny Iray Masin'ny Isiraely. 42Tsy mba nahatsiaro ny tànany izy, dia ny andro izay nanavotany azy tamin'ny fahavalo, 43Izay nanaovany famantarana tany Egypta, sy fahagagana tany an-tany lemak'i Zoana: 44Nampody ny oniny ho rà Izy, ary ny reniranony tsy azony nisotroana. 45Nandefa lalitra betsaka hamely azy Izy, ka nandany azy ireny, ary sahona, ka nanimba azy ireny. 46Dia nanome ny vokatry ny taniny ho an'ny sompanga Izy, ary ny sasany ho an'ny valala. 47Namono ny voalobony tamin'ny havandra Izy, ary ny aviaviny tamin'ny havandra vaventy. 48Dia nanolotra ny biby fiompiny ho an'ny havandra Izy, ary ny omby aman'ondriny ho an'ny varatra. 49Nandatsaka ny fahatezerany mirehitra taminy Izy: eny, fahavinirana sy fahatezerana ary fampahoriana, dia anjely andiany mitondra loza. 50Namboatra lalana ho an'ny fahatezerany Izy, ary tsy niaro ny fanahin'ireo tamin'ny fahafatesana, fa nanolotra ny ainy ho lanin'ny areti-mandringana; 51Ary namely ny lahimatoa rehetra tany Egypta Izy, dia ny voalohan'ainy tany an-dain'i Hama; 52Fa namindra toerana ny olony toy ny ondry Izy, ary nitondra azy tany an-efitra toy ny ondry andiany. 53Nentiny soa aman-tsara izy ireo ka tsy mba natahotra; fa ny fahavalony kosa voasaron'ny ranomasina. 54Ary nitondra azy ho any amin'ny tany misy ny fitoerany masina Izy, dia ny tendrombohitra izay azon'ny tànany ankavanana. 55Ary nandroaka ny jentilisa teo anoloany Izy, ka nanome ny tanin'ireny ho lova nozaraina tamin'ny famolaina, dia nampitoetra ny firenen'Isiraely tao an-dainy. ¶ 56Nefa naka fanahy an'Andriamanitra Avo Indrindra izy ka niodina taminy, ary ny teni-vavolombelony tsy notandremany. 57Ary nihemotra izy ka nivadika tahaka ny razany. Dia nania tahaka ny tsipìka manjiona. 58Ary nampahatezitra Azy tamin'ny fitoerana avony izy, sady nahasaro-piaro Azy tamin'ny sarin-javatra voasokitra. 59Ary nandre izany Andriamanitra, dia tezitra Izy ka nolaviny mihitsy ny Isiraely, 60Sady nahafoy ny tabernakeliny tao Silo Izy, dia ny lay izay naoriny teo amin'ny olona; 61Dia natolony ho babo ny heriny ary ny voninahiny ho eo an-tànan'ny fahavalo. 62Dia nanolotra ny olony ho an'ny sabatra Izy; ary tezitra Indrindra tamin'ny lovany Izy. 63Ny zatovolahiny dia lanin'ny afo; ary ny zatovovaviny tsy mba nanaovana hiram-panambadiana. 64Ny mpisorony lavon-tsabatra, nefa ny mpitondratenan'ireo tsy nisaona. ¶ 65Dia nifoha ny Tompo tahaka ny anankiray avy natory, tahaka ny lehilahy mahery izay miantsoantso azon'ny divay. 66Dia namely ny fahavalony hiamboho Izy ka nahafa-baraka azy mandrakizay. 67Dia nanary ny lain'i Josefa Izy, ary ny firenen'i Efraima tsy nofidiny. 68Fa nifidy ny firenen'i Joda kosa Izy, dia ny tendrombohitra Ziona izay tiany. 69Dia nanao ny fitoerany masina ho tahaka ny havoana Izy, tahaka ny tany izay naoriny ho mandrakizay. 70Dia nifidy an'i Davida mpanompony ka naka azy avy tany am-balan'ondry; 71Tany amin'ny fiandrasany ny ondry ampianahana no nakàny azy, mba hiandry an'i Jakoba olony sy Isiraely lovany; 72Dia niandry ireo araka ny hitsin'ny fony izy, ka nitondra azy araka ny fahaizan'ny tànany. ¶