1 Salamo nataon'i Asafa. Andriamanitra mahasoa ny Isiraely tokoa, dia ny madio fo. ¶ 2Fa izaho, dia saiky nibolasitra ny tongotro; saiky solafaka ny diako, 3Satria nialona ny mpirehareha aho, raha nahita ny fiadanan'ny ratsy fanahy. 4Fa tsy misy fanaintainana amin'ny fahafatesany, ary fatratra ny heriny. 5Tsy mba misy manavesatra azy, tahaka ny olona sasany, ary tsy mba azom-pahoriana tahaka ny olon-kafa izy. 6Dia izany no iambozonany rehareha toy ny rojo, sy itafiany fahalozàna tahaka ny lamba. 7Bongon-tavy ny masony; miloatra ny hevitry ny fony. 8Manazimbazimba izy ka miresaka fampahoriana an-dolom-po; avo vava izy. 9Manao vava manakatra ny lanitra izy, ary ny lelany mandeha mitety ny tany. 10Izany no itodihan'ny olony hankany aminy; ary rano be no gohin'ireny; 11Ka hoy izy: Hataon'Andriamanitra ahoana no fahalala? ary manam-pahalalana va ny Avo Indrindra? 12Indro, ireny dia olona ratsy fanahy; miadana mandrakariva izy ka mitombo harena. ¶ 13Foana mihitsy ny nanadiovako ny foko sy ny nanasàko ny tanako tamin'ny fahamarinana. 14Azom-pahoriana mandritra ny andro aho, ary faizana isa-maraina. 15Raha tahìny aho nanao hoe: Hiteny izany aho, dia ho namitaka ireo zanakao. 16Dia nieritreritra ta-hahalala izany zavatra izany aho, kanjo sarotra teo imasoko izany. 17Mandra-piditro tao amin'ny fitoera-masin'Andriamanitra ka nihevitra izay ho farany. 18Eo amin'izay mahasolafaka tokoa no ametrahanao azy, ary aripakao ho ringana izy. 19Hià! rava indray mipi-maso izy! levona izy, matin-java-mahatahotra izy! 20Tahaka ny anaovan'ny olona ny nofiny ho tsinontsinona, dia tahaka izany, Tompo ô, no anaovanao ny endrik'ireny ho tsinontsinona, raha mifoha Hianao. ¶ 21Raha lotika ny foko, ka voatsindrona ny voako, 22Dia ketrina aho ka tsy nahalala; eny, biby teo anatrehanao aho. 23Nefa izaho dia eo aminao ihany mandrakariva, mihazona ny tanako ankavanana Hianao. 24Ny saina omenao no hitondranao ahy, ary rehefa afaka izany, dia horaisinao ho amin'ny voninahitra aho. 25Iza no ahy any an-danitra? ary tsy misy etỳ ambonin'ny tany iriko tahaka Anao. 26Na dia levona aza ny nofoko sy ny foko, dia mbola vatolampin'ny foko sy anjarako mandrakizay Andriamanitra. ¶ 27Fa, indro, very izay lavitra Anao; aringanao izay rehetra mijangajanga mahafoy Anao. 28Fa, izaho, dia ny ho akaikin'Andriamanitra no mahatsara ahy; Hianao, Jehovah Tompo ô, no nataoko aroko, mba hilaza ny asanao rehetra aho. ¶