1 Sigaiona nataon'i Davida, izay nohirainy ho an'i Jehovah noho ny tenin'i Kosy Benjamita. Jehovah Andriamanitro ô, Hianao no ialofako; vonjeo aho amin'izay rehetra manenjika ahy, ka afaho; 2Fandrao ny fanahiko viravirainy tahaka ny fanaon'ny liona, ary kepokepohiny, ka tsy misy mamonjy. ¶ 3Jehovah Andriamanitro ô, raha nanao izany aho; raha misy heloka eto an-tanako; 4Raha namaly ratsy izay tsara fihavanana tamiko aho, novonjeko aza izay nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana 5Dia aoka ny fahavalo hanenjika ny fanahiko ka hahatratra azy; eny, aoka izy hanitsaka ny aiko amin'ny tany, ary hampandry ny voninahitro amin'ny vovoka. ¶ 6Jehovah ô, mitsangàna amin'ny fahatezeranao; misandrata hisakana ny fisafoaky ny mpampahory ahy; ary mifohaza hanampy ahy, fa didy marina no navoakanao; 7Aoka ny firenena maro hivory manodidina Anao; ary miverena ho any amin'ny avo eo amboniny Hianao, ¶ 8Jehovah hitsara ny firenena; Jehovah ô, tsarao aho araka ny fahamarinako sy ny tsi-fananako tsiny. 9Aoka ho tapaka ny ratsy ataon'ny ratsy fanahy, fa ampitoero kosa ny marina; fa Andriamanitra marina no mamantatra ny fo sy ny voa. ¶ 10Ny ampingako dia ao amin'Andriamanitra, Mpamonjy ny mahitsy fo. 11Mpitsara marina Andriamanitra, eny Andriamanitra Izay tezitra isan'andro. 12Raha tsy ibebahana Izy, dia hanasa ny sabany; efa manenjana ny tsipìkany Izy ka manamboatra azy, 13Ary ireo dia kendreny amin'ny fiadiana mahafaty; ny zana-tsipìkany ataony mirehitra. 14Indro, efa marary hiteraka zava-poana ireo; eny, torontoronina fampahoriana izy ary mitera-doza; 15Mihady lavaka izy ka manalalaka izany, dia latsaka ao anatin'ny longoa nataony ihany izy; 16Mitsingerina ho eo an-dohany ihany ny fampahoriany; ary eo an-tampon-dohany ihany no ianjeran'ny loza nataony. ¶ 17Hidera an'i Jehovah araka ny fahamarinany aho, ary hankalaza ny anaran'i Jehovah Avo Indrindra. ¶