1 Salamo nataon'i Davida, fony tany an-efitr'i Joda izy. ANDRIAMANITRA ô, Andriamanitro Hianao; mitady Anao fatratra aho; mangetaheta Anao ny fanahiko, maniry Anao ny nofoko, eto amin'ny tany maina sy mangentana tsy misy rano; 2Toy izany no nijereko Anao tao amin'ny fitoerana masina, hahitako ny herinao sy ny voninahitrao. 3Fa tsara noho ny aina ny famindram-ponao; ny molotro hidera Anao. 4Toy izany no hisaorako Anao, raha mbola velona koa aho; amin'ny anaranao no hanandratako ny tanako. 5Toy ny voky tsoka sy tavy no hahavokisan'ny fanahiko; ary amin'ny molotra falifaly no hideran'ny vavako Anao. 6Raha mahatsiaro Anao eo am-pandriako aho, dia mieritreritra Anao amin'ny fiambenan'alina. 7Fa efa namonjy ahy Hianao, ary ao ambanin'ny aloky ny elatrao no hihobiako. ¶ 8Mifikitra amiko ny fanahiko; manohana ahy ny tananao ankavanana. 9Fa ireny dia mitady ny aiko ka mampidi-doza amin'ny tenany; hiditra any ambanin'ny tany izy; 10Hatolotra ho amin'ny herin'ny sabatra izy; ho anjaran'ny amboahaolo izy. 11Fa ny mpanjaka hifaly amin'Andriamanitra; ho ravoravo izay rehetra mianiana aminy; fa hakombona ny vavan'izay rehetra mandainga. ¶