1 Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha. Nataon'i Davida. Henoy ny fitarainako, Andriamanitra ô; tandremo ny fivavako. ¶ 2Any am-paran'ny tany no hiantsoako Anao raha reraka ny foko; ento aho ho any amin'ny vatolampy izay avo ka tsy tratro; 3Fa aroko Hianao sy tilikambo mafy handosirako ny fahavalo. 4Aoka hitoetra ao an-tranonao mandrakizay aho; aoka hialoka ao ambanin'ny fanomban'ny elatrao aho, 5Fa Hianao, Andriamanitra ô efa nandre ny voadiko; efa nomenao ahy ny lovan'izay matahotra ny anaranao. 6Halavao ny andron'ny mpanjaka; aoka ny taonany hahatratra ny taranaka maro. 7Aoka hitoetra eo anatrehan'Andriamanitra mandrakizay izy; famindram-po sy fahamarinana no tendreo hiaro azy; 8Ka dia izany no hankalazako ny anaranao mandrakizay, mba hanefako isan'andro ny voadiko. ¶