1 Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha. Maskila nataon'i Davida. Mihainoa ny fivavako, Andriamanitra ô, ary aza miery amin'ny fitarainako. 2Henoy aho, ka valio; miriorio ny eritreritro, ka mitoloko aho, 3Noho ny feon'ny fahavalo sy ny fampahorian'ny ratsy fanahy; fa mampianjera loza amiko ireny, ary amin'ny fahatezerana no ankahalany ahy. ¶ 4Mangorohoro ato anatiko ny foko, ary mamely ahy ny tahotra ny fahafatesana. 5Tahotra sy hovitra no mahazo ahy, ary manafotra ahy ny horohoro. 6Ka hoy izaho: enga anie ka manana elatra tahaka ny voromailala aho, dia handositra aho ka hahita izay hitoerako; 7Eny, handositra lavitra aho ka hitoetra any an-efitra. 8Handeha faingana aho hamonjy fialofana, mba tsy ho azon'ny tafio-drivotra sy ny ranonoram-baratra. ¶ 9Aringano izy, ary akoroy ny fiteniny, Tompo ô; fa mahita loza sy ady ao an-tanàna aho. 10Hodidininy andro aman'alina eny ambonin ny mandany io; ary heloka sy fampahoriana no ao aminy; 11Ratsy no ao anatiny; ary ny fitaka sy ny fanangolena tsy mba miala amin'ny lalàmbeny. ¶ 12Fa tsy fahavalo no nanaratsy ahy,- fa raha izany, dia niaritra ihany aho; tsy olona nankahala ahy no nanandra-tena namely ahy, fa raha izany, dia niery azy aho; 13Fa ianao, lehilahy mitovy saranga amiko, namako sy sakaizako indrindra, 14Dia isika izay nifankamamy resaka ka niara-nandeha tamin'ny maro ho ao an-tranon'Andriamanitra. 15Aoka hanampoka azy ny fahafatesana. Aoka hidina velona any amin'ny fiainan-tsi-hita izy; fa ratsy no ao amin'ny fonenany, dia ao afovoany. ¶ 16Raha izaho, dia Andriamanitra no hantsoiko; ary Jehovah no hamonjy ahy. 17Hariva sy maraina ary mitatao vovonana no hitarainako sy hitolokoako; dia hihaino ny feoko Izy, 18Ka hanavotra ny fanahiko ho amin'ny fiadanana hahafahako amin'ny adin'ireny amiko, fa maro no miady amiko. ¶ 19Hihaino Andriamanitra, Izay mipetraka hatramin'ny taloha, ka hamaly ireo olona tsy miova toetra, sady tsy matahotra an'Andriamanitra. ¶ 20Efa naninjitra ny tànany hamely izay nihavana taminy izy; namadika ny fanekeny izy. 21Malambo noho ny rononomandry ny vavany, kanjo ady no ao am-pony; malemy noho ny diloilo ny teniny, kanjo sabatra voatsoaka ireny. ¶ 22Apetraho amin'i Jehovah ny entanao, ary Izy no hanohana anao; tsy havelany hangozohozo mandrakizay ny marina. 23Fa Hianao, Andriamanitra ô, no hampidina ireo any an-davaka fanimbana; ny mpandatsa-drà sy mpamitaka tsy hahatratra ny an-tsasaky ny androny; fa izaho kosa dia hatoky Anao. ¶