1 Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha. Maskila nataon'i Davida, fony tonga ny Zifita ka nanao tamin'i Saoly hoe: Tsy miery any aminay va Davida? Vonjeo amin'ny anaranao aho, Andriamanitra ô, ary omeo rariny aho araka ny herinao. 2Andriamanitra ô, henoy ny fivavako; mihainoa ny tenin'ny vavako. 3Fa olona hafa firenena no mitsangana hamely ahy, ary olon-dozabe no mitady ny aiko; tsy mihevitra an'Andriamanitra ho eo anatrehany izy. ¶ 4Indro, Andriamanitra no Mpamonjy ahy; ny Tompo no Mpanohana ny fanahiko. 5Hamaly ny ratsy ataon'ny mpampahory ahy Izy; aoka ny fahamarinanao no handringananao azy. 6Sitrapoko ihany no hanaterako fanatitra ho Anao; hidera ny anaranao aho, Jehovah ô, fa tsara izy. 7Fa efa namonjy ahy ho afaka tamin'ny fahoriana rehetra Izy; ary ny masoko dia faly mijery ny amin'ny fahavaloko. ¶