1 Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'ny Koraita. Salamo. Mandrenesa izao, ry firenena rehetra; mihainoa, ry mponina rehetra amin'izao tontolo izao: 2Na ny ambany, na ny ambony, na ny manan-karena, na ny malahelo. 3Ny vavako hiteny fahendrena; ary ny fieritreretan'ny foko dia fahalalana. 4Hanongilana ny sofiko hihaino oha-teny aho, ary hanonona teny saro-pantarina ampiarahiko amin-dokanga. ¶ 5Nahoana no hatahotra amin'ny andro fahoriana aho, nony manodidina ahy ny haratsian'ny mpamingana ahy, 6Dia izay matoky ny hareny, Sy mirehareha amin'ny haben'ny fananany? 7Tsy misy mahavotra ny rahalahiny akory, na mahazo manome an'Andriamanitra izay avony, 8(Fa sarotra avotra ny ainy ka tsy azo atao mandrakizay), 9Mba ho velona mandrakizay izy, ka tsy ho latsaka ao amin'ny lavaka. 10Fa hita fa maty ihany ny olon-kendry; ary ny adala sy ny ketrina samy levona, ka mamela ny fananany ho an'ny hafa. 11Araka ny heviny dia ataony fa ho mandrakizay ny tranony, ary ny fonenany hahatratra ny taranaka fara mandimby; araka ny anarany no anononany ny taniny. 12Nefa na dia manana voninahitra aza ny olona, dia tsy maharitra izy; tahaka ny biby izay samy tsy maintsy ho faty izy. 13Izany no falehan'ny olona adala; ary ny taranany mandimby azy mankasitraka ny teniny. 14Tahaka ny fanangona ondry no fanangona azy any amin'ny fiainan-tsi-hita; ny fahafatesana no mpiandry azy; ary hanapaka azy ny mahitsy nony maraina; ary ny bikany ho levona any amin'ny fiainan-tsi-hita, ka tsy hisy fonenany. 15Fa Andriamanitra kosa hamonjy ny aiko amin'ny herin'ny fiainan-tsi-hita,3 satria handray ahy Izy. 16Aza matahotra ianao, raha misy olona tonga manan-karena, ka mitombo ny voninahitry ny tranony; 17Fa tsy hitondra na inona na inona izy, raha maty; tsy mba hidina hanaraka azy ny voninahiny. 18Na dia miarahaba tena aza izy, raha mbola velona - Fa hidera anao ny olona, raha manisy soa ny tenanao ianao - 19Dia hankany amin'ny razany izy, tsy hahita ny mazava intsony mandrakizay ireny. 20Izay olona manana voninahitra, nefa tsy manan-tsaina, dia tahaka ny biby izay samy tsy maintsy ho faty. ¶