1 Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'ny Koraita. Salamo. Mitehafa tanana, ry firenena rehetra; mihobia ho an'Andriamanitra. 2Fa Jehovah no avo indrindra ka tokony hatahorana; Mpanjaka lehibe ambonin'ny tany rehetra Izy. 3Mandresy firenena maro Izy ho ambanintsika ,ary firenen-tsamy hafa ho ambanin'ny tongotsika. 4Mifidy ny lovantsika ho antsika Izy, dia ny voninahitr'i Jakoba izay tiany. ¶ 5Efa niakatra tamin'ny fihobiana Andriamanitra, Jehovah niakatra tamin'ny fitsofana ny anjomara. 6Mankalazà an'Andriamanitra, eny mankalazà; mankalazà ny Mpanjakantsika, eny, mankalazà. 7Fa Mpanjaka amin'ny tany rehetra Andriamanitra; mahaiza mankalaza tsara ianareo. 8Andriamanitra manjaka amin'ny firenen-tsamy hafa; Andriamanitra mipetraka eo ambonin'ny seza fiandrianany masina. 9Ny mpanapaka ny firenen-tsamy hafa miangona ho olon'Andriamanitr'i Abrahama; fa an'Andriamanitra ny ampingan'ny tany; Avo indrindra Izy. ¶