1 Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'ny Koraita. Maskila. Ny sofinay no nandrenesanay, Andriamanitra ô, ny razanay nilaza taminay ny asa nataonao tamin'ny androny, dia tamin'ny andro fahiny. 2Ny tananao no nandroahanao ny firenen-tsamy hafa, fa izy kosa nampitoerinao; efa nampahorinao ny firenena maro, fa izy kosa nataonao mahafeno tany. 3Fa tsy ny sabany no nahazoany ny tany, ary tsy ny sandriny no namonjy azy; fa ny tananao ankavanana sy ny sandrinao ary ny fahazavan'ny tavanao, satria efa sitrakao izy. ¶ 4Hianao dia Hianao no Mpanjakako, Andriamanitra ô; Mandidia famonjena ho an'i Jakoba. 5Hianao no hanosehanay ny fahavalonay; ny anaranao no hanitsahanay izay mitsangana hamely anay. 6Fa tsy ny tsipikako no itokiako, ary ny sabatro tsy hahavonjy ahy. 7Fa namonjy anay tamin'ny fahavalonay Hianao, ary ny nankahala anay dia nataonao menatra. 8Andriamanitra no ankalazainay mandrakariva; ary ny anaranao no hoderainay mandrakizay. ¶ 9Fa efa nanary anay ianao ka nampahamenatra anay, ary tsy mba mivoaka miaraka amin'ny antokon'ny miaramilanay Hianao. 10Ataonao miamboho ny fahavalonay izahay, koa ny mankahala anay dia nanaram-po namabo. 11Atolotrao tahaka ny ondry hohanina izahay, ary aelinao any amin'ny firenen-tsamy hafa. 12Mivarotra ny olonao tsy vola tsy harena Hianao, ka tsy mahazo tombony amin'ny vidiny. 13Ataonao fandatsan'ny olona miray monina aminay izahay, dia fanakora sy faneson'izay manodidina anay. 14Ataonao ho ambentinteny amin'ny firenen-tsamy hafa izahay, dia fihifikifihan-doha amin'ny olona maro. 15Tsaroako mandrakariva ny fahafaham-boninahitro, ary efa manafotra ahy ny fangaihaizako, 16Noho ny feon'ny mpanaratsy sy ny mpanamavo, noho ny fahavalo sy ny mpamaly ratsy. ¶ 17Izany rehetra izany no manjo anay, nefa tsy manadino anao izahay ary tsy mivadika ny fanekenao. 18Tsy mihemotra ny fonay, ary tsy miala amin'ny lalanao ny dianay. 19Nefa Hianao nanorotoro anay teo amin'ny fitoeran'ny amboadia sy nanarona anay tamin'ny aloky ny fahafatesana. 20Raha nanadino ny anaran'Andriamanitray izahay, na nananty tanana tamin'ny andriamani-kafa, 21Tsy handinika izany va Andriamanitra? Fa Izy mahalala ny miafina ao am-po. 22Fa noho ny aminao no amonoana anay mandrakariva; toy ny ondry hovonoina no fijery anay. ¶ 23Mifohaza, ry Tompo ô, nahoana no matory Hianao? Mitsangàna, aza manary mandrakizay. 24Nahoana no manafina ny tavanao Hianao, ka manadino ny fahantranay sy ny fahorianay? 25Fa miankohoka amin'ny vovoka ny fanahinay, miraikitra amin'ny tany ny kibonay. 26Mitsangàna hamonjy anay, ary avoty izahay araka ny famindram-ponao. ¶