1 Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Sambatra izay mahatsiaro ny malahelo; Jehovah hamonjy azy amin'ny andro fahoriana. 2Jehovah hitandrina sy hiaro azy tsy ho faty; hatao ho sambatra ambonin'ny tany izy, ary tsy mba hatolotrao amin'ny sitrapon'ny fahavalony. 3Jehovah hanohana azy eo ambonin'ny farafara hitsaboana azy. Ny fandriany rehetra eo am-paharariany dia hovanao. ¶ 4Hoy izaho: Jehovah ô, mamindrà fo amiko; sitrano ny fanahiko, fa efa nanota taminao aho. 5Ny fahavaloko maniry ahy ho simba ka manao hoe: Rahoviana no ho faty izy, ka ho very ny anarany? 6Ary raha avy mamangy, izy dia miteny zava-poana; ny fony mamory faharatsiana ho an'ny tenany; mivoaka eny ivelany izy ka milazalaza. 7Mitakoritsika ahy izay rehetra mankahala ahy; misaina hanisy ratsy ahy izy. 8Tena zava-dratsy, hoy izy, no aidina aminy; ary raha mandry izy dia tsy hitsangana intsony. 9Eny, ny sakaizako, izay maha-toky ahy sady nihinana ny haniko, no nanangana ny ombelahin-tongony hamely ahy. 10Fa ianao kosa Jehovah ô, mamindrà fo amiko, ka atsangano aho mba hamaliako azy. ¶ 11Izao no hahafantarako fa mankasitraka ahy Hianao, dia ny tsy anakoran'ny fahavaloko ahy. 12Ary ny amiko, dia manohana ahy amin'ny fahitsiako Hianao, ka mampitoetra ahy eo anatrehanao mandrakizay. ¶ 13Isaorana anie Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, hatramin'ny taloha indrindra ka mandrakizay. Amena dia Amena. ¶