1 Salamo nataon'i Davida. Ho fampahatsiarovana. Jehovah ô, aza ny fahatezeranao no ananaranao ahy; ary aza ny fahaviniranao no amaizanao ahy. ¶ 2Fa mitsatoka amiko ny zana-tsipìkanao,ary manindry ahy mafy ny tananao, 3Tsy misy fahasalamana ny nofoko noho ny fahatezeranao; tsy misy tsy marary ny taolako noho ny fahotako. 4Fa ny heloko efa mihoatra ny lohako; tahaka ny entana mavesatra izy ka tsy zakako. 5Maimbo sady mihady ny feriko noho ny hadalako. 6Mitanondrika sy mijoretra indrindra aho, ary misaona mandrakariva. 7Ary ny vaniako henika ny aretina mahamay, ka tsy misy fahasalamana ny nofoko. 8Marikoditra aho sady torovana indrindra; midradradradra aho noho ny fitolokon'ny foko. ¶ 9Ry Tompo ô, eo anatrehanao ny faniriako rehetra;ary ny fisentoako tsy mba miafina aminao. 10Miemponempona ny foko, lany ny heriko, ary ny fahiratan'ny masoko aza efa nandao ahy. 11Ny olo-malalako sy ny sakaizako aza efa manalavitra ny fahoriako; Ary ny havako mijanona eny lavitra eny. 12Mamela-pandrika izay mitady ny aiko; ary izay mitady hanimba ahy miteny fanimbana,sy misaim-pitaka mandrakariva. ¶ 13Fa izaho dia tahaka ny marenina ka tsy mandre, ary tahaka ny moana ka tsy mahaloa-bava; 14Eny, dia tahaka ny olona tsy mandre, sady tsy misy teny havaly eo am-bavany. 15Fa ianao no antenaiko Jehovah ô; ianao no hamaly, ry Tompo Andriamanitra ô. 16Fa hoy izaho: sao dia hifalian'izy ireo anie aho;ary raha mibolisatra ny tongotro, dia hirehareha amiko izy. 17Fa efa ho lavo aho, ary ny fanaintainako dia tsaroako mandrakariva. 18Fa ny heloko no hambarako; matahotra aho noho ny fahotako. 19Fa ny fahavaloko velona ihany sady mahery; ary maro no mandrafy ahy tsy ahoan-tsy ahoana; 20Ary mamaly ratsy ny soa izy ireo ka mandrafy ahy ho valin'ny fanarahako ny tsara. 21Aza mahafoy ahy,Jehovah ô; Ry Andriamanitro ô, aza manalavitra ahy. 22Faingàna hamonjy ahy, ry Tompo, Mpamonjy ahy ô. ¶