1 Nataon'i Davida. Aminao, Jehovah ô, no anandratako ny fanahiko. 2Andriamanitro ô, Hianao no itokiako, aoka tsy ho menatra aho; aoka tsy hifalian'ny fahavaloko aho. 3Eny, tsy hisy ho menatra izay rehetra miandry Anao; fa izay mivadika foana no ho menatra. ¶ 4Ampahafantaro ny lalanao aho, Jehovah ô; ampianaro ny sitrakao aho. 5Tariho amin'ny fahamarinanao aho, ka ampianaro; fa Hianao no Andriamanitry ny famonjena ahy; Hianao no andrasako mandritra ny andro. 6Tsarovy ny antranao sy ny indrafonao, Jehovah ô, fa hatrizay hatrizay ireny. 7Aza ny fahotan'ny fahatanorako, na ny ratsy nataoko, no tsarovanao; fa aoka ho araka ny famindram-ponao no hahatsiarovanao ahy, noho ny fahasoavanao Jehovah ô, ¶ 8Tsara sy mahitsy Jehovah, ka izany no ampianarany ny mpanota ny lalana. 9Mitarika ny mpandefitra amin'ny marina Izy, ary mampianatra ny mpandefitra ny lalany. 10Ny lalan'i Jehovah rehetra dia famindram-po sy fahamarinana amin'izay mitandrina ny fanekeny sy ny teni-vavolombelony. 11Noho ny anaranao, Jehovah ô, dia mamelà ny heloko, fa lehibe izany. 12Iza no lehilahy matahotra an'i Jehovah? Izy no hampianariny izay lalana tokony hofidiny. 13Ny fanahiny hitoetra amin'ny soa; ary ny taranany handova ny tany. 14Ny fisainan'i Jehovah asehony amin'izay matahotra Azy, ary ny fanekeny no hampahafantariny azy. 15Ny masoko mijery an'i Jehovah mandrakariva; fa Izy no nanafaka ny tongotro tamin'ny fandrika harato. ¶ 16Todiho aho, ka amindrao fo, fa irery aho ka mahantra. 17Ny fahorian'ny foko efa mihalehibe; afaho amin'ny fahatereko aho. 18Jereo ny fahoriako sy ny mavesatra amiko, ka mamelà ny fahotako rehetra. 19Jereo ny fahavaloko, fa maro izy; ary loza ny fankahalàny ahy. 20Arovy ny fanahiko, ka vonjeo aho; aoka tsy ho menatra aho, fa mialoka aminao. 21Aoka ny tsi-fisian-tsiny sy ny fahitsiana no hiaro ahy; fa miandry Anao aho. 22Andriamanitra ô, afaho ny Isiraely, amin'ny fahoriany rehetra. ¶