1 Salamo nataon'i Davida. Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho, 2Mampandry ahy amin'ny ahi-maitso Izy; mitondra ahy eo amoron'ny rano fialan-tsasatra Izy. 3Mamelombelona ny fanahiko Izy; mitarika ahy amin'ny lalan'ny fahamarinana noho ny anarany Izy. ¶ 4Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho, fa Hianao no amiko; ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra ahy. 5Mamelatra latabatra eo anoloako eo imason'ny fahavaloko Hianao; manosotra diloilo ny lohako Hianao; ny kapoakako feno dia feno. ¶ 6Eny tokoa, fahasoavana sy famindram-po no hanaraka ahy amin'ny andro rehetra hiainako, dia hitoetra ao an-tranon'i Jehovah andro lava aho. ¶