1 Nahoana no mitabataba ny jentilisa, ary misaina anoano foana ny firenena? 2Ireo mpanjakan'ny tany mitsangana, Ary ny mpanapaka miara-mioko hanohitra an'i Jehovah sy ny Mesiany ka manao hoe: 3"Aoka hotosantsika ny famatorany, ka hariantsika hiala amintsika ny famehezany." ¶ 4Izay mipetraka any an-danitra mihomehy, ny Tompo maneso ireo. 5Dia hiteny azy amin'ny fahavinirany Izy ka hampangorohoro azy amin'ny fahatezerany hoe: 6"Izaho kosa efa nanendry ny Mpanjakako Tambonin'i Ziona, tendrombohitro masina." ¶ 7"Hilaza zava-boatendry Aho; Jehovah nilaza tamiko hoe: Zanako Hianao, Izaho niteraka anao androany. 8Mangataha amiko, dia homeko ho lovanao ny jentilisa ary ny faran'ny tany ho fanananao. 9Hotorotoroinao amin'ny tehim-by izy: toy ny famaky vilany tany no hanamontsamontsananao azy." ¶ 10Ary amin'izany dia hendre ianareo, ry mpanjaka; minoa anatra ianareo, ry mpitsaran'ny tany. 11Manompoa an'i Jehovah amin'ny fahatahorana, ary mifalia amin'ny fangovitana. 12Manoroha ny zanaka, fandrao ho tezitra izy, ka ho very eny an-dalana ianareo; fa vetivety dia hirehitra ny fahatezerany. Sambatra izay rehetra mialoka aminy. ¶