1 Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy; Fa mandrakizay ny famindram-pony. 2Midera an'Andriamanitra Avo Indrindra; Fa mandrakizay ny famindram-pony. 3Miderà ny Tompon'ny tompo; Fa mandrakizay ny famindram-pony; ¶ 4Izy irery no Mpanao fahagagan-dehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 5Izay nanao ny lanitra tamin'ny fahendrena (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 6Izay namelatra ny tany ho ambonin'ny rano, (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 7Izay nanao ireo fanazavana lehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 8Dia ny masoandro ho mpanapaka ny andro (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 9Ary ny volana sy ny kintana ho mpanapaka ny alina (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 10Izay namely ny voalohan-terak'i Egypta, (Fa mandrakizay ny famindram-pony) 11Ka nitondra ny Isiraely nivoaka avy teo aminy (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 12Tamin'ny tanana mahery sy ny sandry nahinjitra (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 13Izay nampisaraka ny Ranomasina Mena (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 14Ka nampandeha ny Isiraely namaky teo afovoany (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 15Fa nanary an'i Farao sy ny miaramilany tao anatin'ny Ranomasina Mena (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 16Izay nitondra ny olony nitety ny efitra (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 17Izay namely mpanjaka lehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 18Ka nahafaty mpanjaka malaza (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 19Dia Sihona, mpanjakan'ny Amorita (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 20Sy Oga, mpanjakan'i Basana (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 21Ary ny taniny nomeny ho lova (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 22Dia ho lovan'ny Isiraely mpanompony (Fa mandrakizay ny famindram-pony), ¶ 23Izay nahatsiaro antsika fony isika ambany toetra (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 24Ka naneho hery namonjy antsika ho afaka tamin'ny fahavalontsika (Fa mandrakizay ny famindram-pony), 25Izay manome hanina ny nofo rehetra (Fa mandrakizay ny famindram-pony); 26Miderà an'Andriamanitry ny lanitra; Fa mandrakizay ny famindram-pony. ¶