1 Haleloia. Miderà ny anaran'i Jehovah; Miderà, ianareo mpanompon'i Jehovah, 2Hianareo izay mpitoetra ao an-tranon'i Jehovah, Eo anatin'ny kianjan'ny tranon'Andriamanitsika. 3Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy; Mankalazà ny anarany, fa mahafinaritra izany. 4Fa Jakoba nofidin'i Jehovah ho Azy, Ary Isiraely ho rakitra soa ho Azy, ¶ 5Fa fantatro fa lehibe Jehovah, Ary ambonin'ny andriamanitra rehetra ny Tompontsika. 6Manao izay sitrapony rehetra Jehovah, Na any amin'ny lanitra, na etỳ ambonin'ny tany, Na any amin'ny ranomasina sy ny rano lalina rehetra. 7Mampiakatra zavona avy amin'ny faran'ny tany Izy; Manao helatra arahin-dranonorana Izy; Mamoaka ny rivotra avy ao an-trano fitehirizany Izy, 8Dia Ilay namely ny voalohan-terak'i Egypta, Na olona, na biby. 9Nanatitra famantarana sy fahagagana teo aminao Izy, ry Egypta ô, Eny, tamin'i Farao sy ny mpanompony rehetra, 10Dia Ilay namely ny jentilisa maro Ka nahafaty mpanjaka mahery, 11Dia Sihona, mpanjakan'ny Amorita, Sy Oga, mpanjakan'i Basana, Ary ny fanjakan'i Kanana rehetra; 12Ary ny taniny nomeny ho lova, Eny, ho lovan'ny Isiraely olony. ¶ 13Jehovah ô, mandrakizay ny anaranao; Jehovah ô, hihatra amin'ny taranaka fara mandimby ny fahatsiarovana Anao. 14Fa hanome rariny ny olony Izy Ary hanenina ny amin'ny mpanompony. 15Ny sampin'ny jentilisa dia volafotsy sy volamena, Asan'ny tànan'olona; 16Manam-bava izy, fa tsy miteny; Mana-maso izy, fa tsy mahita; 17Manan-tsofina izy, fa tsy mandre; Ary tsy misy fofonaina ao am-bavany. 18Ho tahaka azy izay manao azy Sy izay rehetra matoky azy. ¶ 19Misaora an'i Jehovah, ry taranak'Isiraely; Misaora an'i Jehovah, ry taranak'i Arona; 20Misaora an'i Jehovah, ry taranak'i Levy; Hianareo izay matahotra an'i Jehovah, misaora an'i Jehovah. 21Isaorana avy any Ziona anie Jehovah, Izay mitoetra any Jerosalema. Haleloia. ¶