1 Fihirana fiakarana. Mafy no nampahoriany ahy hatry ny fony aho mbola tanora, Eny, aoka hataon'ny Isiraely hoe: 2Mafy no nampahoriany ahy hatry ny fony aho mbola tanora; Nefa tsy naharesy ahy izy. 3Ny mpiasa dia niasa ny lamosiko; Efa nanalava ny vavasany izy. ¶ 4Marina Jehovah: Efa nanapaka ny famatorana nataon'ny ratsy fanahy Izy. 5Aoka ho menatra sy hiamboho Izay rehetra mandrafy an'i Ziona 6Ka ho tahaka ny ahitra eo an-tampon-trano. Izay malazo, na dia tsy misy manongotra azy aza; 7Tsy misy mpijinja mameno tanana Na mpamehy amboara mameno tratra amin'izany; 8Ka dia tsy hisy mpandalo hanao hoe: Hotahin'i Jehovah anie ianareo; Eny, ny anaran'i Jehovah no itsofanay rano anareo. ¶