1 Fihirana fiakarana. Fony Jehovah nampody an'i Ziona avy tamin'ny fahababoany, Dia tahaka izay nanonofy isika. 2Fahizay dia feno hehy ny vavantsika Sy fihobiana ny lelantsika; Dia natao tany amin'ny Jentilisa hoe: Zava-dehibe no nataon'i Jehovah ho an'ireny. 3Eny, zava-dehibe no nataon'i Jehovah ho antsika, Ka dia faly isika. ¶ 4Tanteraho, Jehovah ô, ny ham-podiana anay avy amin'ny fahababoana, Tahaka ny fiverenan'ny riaka any amin'ny tany atsimo. 5Izay mamafy am-pitomaniana Dia hijinja am-pifaliana. 6Mandeha mitomany mitondra ny voa afafiny izy, Fa hiverina mitondra ny amboarany amin'ny fihobiana kosa. ¶